Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
661.
Toy ny rano am-pasika ; natao tsy hisy fa nisy ihany
yveratsimb
662.
Ataovy vikina alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
663.
Ny ela nandeferana , tsy voatazon-tsonia fito.
aivetinakely
664.
Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpandoatra no vinitra.
yveratsimb
665.
Jejo mitaratra ka lany andro eo ampifidianana.
aivetinakely
666.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany , fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany.
aivetinakely
667.
Trandraka milevina, ny volontany tsy ariana.
aivetinakely
668.
Akohokely paohin'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
669.
Rano atami-bato ny maniasia no betsaka.
aivetinakely
670.
Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.
aivetinakely
671.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
672.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
yveratsimb
673.
Ny tena marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
yveratsimb
674.
Anantsinahy va aho ka atao ambony vary ?
yveratsimb
675.
Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po, fa tsy mahavita taona
yveratsimb
676.
Ny fihavanana tsy azo vidina
yveratsimb
677.
Mifankatia amin'ny amalona, ka nony sendra tia, nabolilany
yveratsimb
678.
Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina
yveratsimb
679.
Ny faty mpanazakazaka, ary ny aretina vadin-koditry ny olombelona
yveratsimb
680.
Tsy ny fanambadiana no taloha, fa ny fihavanana
yveratsimb
681.
Ny fihavanana toa fasambazimba, ka izay mandrava aloha no tapak'ila
yveratsimb
682.
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
yveratsimb
683.
Adala nomen-tanan'ondry , na soloana ofany aza tsy tia.
aivetinakely
684.
Maivan-tsaina tahaka ny angidina, akanjo manify no enti-mirehareha.
aivetinakely
685.
Ny teny toy ny antsy, izay maranitra no adidy.
aivetinakely
686.
Be tsy misaina tahaka ny vato, tsy miteny ka taingenam-borona.
aivetinakely
687.
Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.
aivetinakely
688.
Miara-monina amin-dRakalamoana ka ny baiko andratsana no be.
aivetinakely
689.
Mafanafana tahaka ny ratsy atao an-kavana.
aivetinakely
690.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany naniriany
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
21
22
23
24
25
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0747