Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
721.
Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina
yveratsimb
722.
Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe
yveratsimb
723.
Izay fatra-pandà ihany no manaiky
yveratsimb
724.
Aza atao vato tsindry hahazana, karaha maloka ny andro atsipy
yveratsimb
725.
Ilay nahandro vato: raha ny rony dia masaka
yveratsimb
726.
Manary andro toy ny lehilahy mitsongo anana
yveratsimb
727.
Ny henamaso ombalahy
yveratsimb
728.
Kalon' antitra ka tany no farany
yveratsimb
729.
Ny mahia zokin' antitra
yveratsimb
730.
Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana
yveratsimb
731.
Ny mandeha tsy zoto, ny mijanona tsy laina
yveratsimb
732.
Ilay kamo mivady: ny lahy tsy tia harahara, ny vavy tsy tia vody tenona
yveratsimb
733.
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany
yveratsimb
734.
Zatra ny antohojinga ka tsy velon' ny an-kararà na
yveratsimb
735.
Taolana ny nify ka mihomehy
yveratsimb
736.
Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no mandre aloha
yveratsimb
737.
Lany hena alohan' ny olona ka ny nify no aolanolana
yveratsimb
738.
Varotry ny manano tena ka raikitra vao tora-kovitra
yveratsimb
739.
Mitafa amin' ny mpanankarena ka raha tonga mitain-kidin-trano
yveratsimb
740.
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona
yveratsimb
741.
Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy
yveratsimb
742.
Ny olona handrandrana no hanafenan-doha sola
yveratsimb
743.
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha
yveratsimb
744.
Ny tarehy an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamorainy
yveratsimb
745.
Tendrombohitra fandrian' ny zavona; lohasaha fandrian' ny moka; sakeli-drano fandrian' ny mamba; izaho, kely fandrian' ny saina
yveratsimb
746.
Mandrara homana ohatra ny goaika
yveratsimb
747.
Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa
yveratsimb
748.
Varifitoventy mahatapaka ny vozon' akoho
yveratsimb
749.
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara
yveratsimb
750.
Akoholahy miady am-pasika : samy miaro ny masony tsy ho ditsika
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
23
24
25
26
27
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0714