Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
721.
Toy ny rano am-pasika ; natao tsy hisy fa nisy ihany
yveratsimb
722.
Ataovy vikina alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
723.
Ny ela nandeferana , tsy voatazon-tsonia fito.
aivetinakely
724.
Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpandoatra no vinitra.
yveratsimb
725.
Jejo mitaratra ka lany andro eo ampifidianana.
aivetinakely
726.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany , fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany.
aivetinakely
727.
Trandraka milevina, ny volontany tsy ariana.
aivetinakely
728.
Akohokely paohin'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
729.
Rano atami-bato ny maniasia no betsaka.
aivetinakely
730.
Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.
aivetinakely
731.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
732.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
yveratsimb
733.
Ny tena marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
yveratsimb
734.
Anantsinahy va aho ka atao ambony vary ?
yveratsimb
735.
Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po, fa tsy mahavita taona
yveratsimb
736.
Ny fihavanana tsy azo vidina
yveratsimb
737.
Mifankatia amin'ny amalona, ka nony sendra tia, nabolilany
yveratsimb
738.
Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina
yveratsimb
739.
Ny faty mpanazakazaka, ary ny aretina vadin-koditry ny olombelona
yveratsimb
740.
Tsy ny fanambadiana no taloha, fa ny fihavanana
yveratsimb
741.
Ny fihavanana toa fasambazimba, ka izay mandrava aloha no tapak'ila
yveratsimb
742.
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
yveratsimb
743.
Adala nomen-tanan'ondry , na soloana ofany aza tsy tia.
aivetinakely
744.
Maivan-tsaina tahaka ny angidina, akanjo manify no enti-mirehareha.
aivetinakely
745.
Ny teny toy ny antsy, izay maranitra no adidy.
aivetinakely
746.
Be tsy misaina tahaka ny vato, tsy miteny ka taingenam-borona.
aivetinakely
747.
Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.
aivetinakely
748.
Miara-monina amin-dRakalamoana ka ny baiko andratsana no be.
aivetinakely
749.
Mafanafana tahaka ny ratsy atao an-kavana.
aivetinakely
750.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany naniriany
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
23
24
25
26
27
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0309