Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
781.
Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina
yveratsimb
782.
Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe
yveratsimb
783.
Izay fatra-pandà ihany no manaiky
yveratsimb
784.
Aza atao vato tsindry hahazana, karaha maloka ny andro atsipy
yveratsimb
785.
Ilay nahandro vato: raha ny rony dia masaka
yveratsimb
786.
Manary andro toy ny lehilahy mitsongo anana
yveratsimb
787.
Ny henamaso ombalahy
yveratsimb
788.
Kalon' antitra ka tany no farany
yveratsimb
789.
Ny mahia zokin' antitra
yveratsimb
790.
Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana
yveratsimb
791.
Ny mandeha tsy zoto, ny mijanona tsy laina
yveratsimb
792.
Ilay kamo mivady: ny lahy tsy tia harahara, ny vavy tsy tia vody tenona
yveratsimb
793.
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany
yveratsimb
794.
Zatra ny antohojinga ka tsy velon' ny an-kararà na
yveratsimb
795.
Taolana ny nify ka mihomehy
yveratsimb
796.
Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no mandre aloha
yveratsimb
797.
Lany hena alohan' ny olona ka ny nify no aolanolana
yveratsimb
798.
Varotry ny manano tena ka raikitra vao tora-kovitra
yveratsimb
799.
Mitafa amin' ny mpanankarena ka raha tonga mitain-kidin-trano
yveratsimb
800.
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona
yveratsimb
801.
Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy
yveratsimb
802.
Ny olona handrandrana no hanafenan-doha sola
yveratsimb
803.
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha
yveratsimb
804.
Ny tarehy an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamorainy
yveratsimb
805.
Tendrombohitra fandrian' ny zavona; lohasaha fandrian' ny moka; sakeli-drano fandrian' ny mamba; izaho, kely fandrian' ny saina
yveratsimb
806.
Mandrara homana ohatra ny goaika
yveratsimb
807.
Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa
yveratsimb
808.
Varifitoventy mahatapaka ny vozon' akoho
yveratsimb
809.
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara
yveratsimb
810.
Akoholahy miady am-pasika : samy miaro ny masony tsy ho ditsika
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
25
26
27
28
29
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0466