Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
841.
Mihambohambo tsy tia vary mohaka, fa miletra ny masiso be herinandro
yveratsimb
842.
Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova ihany
yveratsimb
843.
Ny zaza no tia rairay, dia ny lehibe no fangalarina
yveratsimb
844.
Manalasala toa vozon'akoho tanora, hanina toa taolana, ariana toa nofony ihany
yveratsimb
845.
Aza manao tompony, mangataka atiny
yveratsimb
846.
Mpatsaka mahay mikabary, mahay ihany fa ambanin'ny siny
yveratsimb
847.
Ny tendrombohitra fandrian'ny zavona, ny renirano fandrian'ny mamba fa ny olombelona kosa fandrian'ny adidy sy ny andraikitra.
yveratsimb
848.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony
yveratsimb
849.
Hendry zana-bady ka miaritra ny ditran-dreniny.
aivetinakely
850.
Voanemba mitsipika anjoron-trano ny zanaka manam-bady havana ,tsy very fa miharo amin'ny namany.
aivetinakely
851.
Sikotry tsy lavitra ny omby, lehilahy tsy lavitry ny vehivavy.
aivetinakely
852.
Ny teny toy ny vato , izay maivana no atoraka.
aivetinakely
853.
Aza atao vato natsindry ahazana ny fitiavana, ka rehefa vita ny nilàna azy atsipy any andavaka.
aivetinakely
854.
Ny manana omby manana hena, ny manana fahaizana manana harena.
aivetinakely
855.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : ka raha marary ny tanana ,dia mitsoka ny vava; ary raha marary ny vava,dia misafo ny tanana .
yveratsimb
856.
Aza manao fitian-dalitra, maty mitety ny ratsy, fa mba manaova fitian-tantely ka maty mamela ny mamy ho an'ny fokonolona
yveratsimb
857.
Ny ray no mihosom-potaka, ka ny zanany no vazina
yveratsimb
858.
Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
yveratsimb
859.
Tongotra mby an-dakana, ka tsy miverina intsony
yveratsimb
860.
Akoho mihehy tany, tsy haitraitra fa famerena-trosa.
aivetinakely
861.
Kabary zato , teny arivo fa iray ihany no tiana hahatongavana.
aivetinakely
862.
Andevolahy nahazo asa ka ny valifaty no mandany ny fiainany.
aivetinakely
863.
Ny olombelona ladin'akondro, mifanindry fa tsy mifamono.
aivetinakely
864.
Haren-dany tsy mba harena.
aivetinakely
865.
Fiainan'ny mpifankatia, ny te-hifankahita no mandany ny andro.
aivetinakely
866.
Hafahafa fitia sifotra ka ny tamenany indray no ariana
yveratsimb
867.
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana
yveratsimb
868.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena
yveratsimb
869.
Misao-bady tanora, ka manome zara ho an'ny hafa
yveratsimb
870.
ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
27
28
29
30
31
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0318