Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
931.
Be famangitra toa rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana, fa ny fitombenana lanin'ny moka tsy tsaroana.
romanzo
932.
nidirampasoavambe toy ny mpanihika ny trondro azo ny fe voasasa
nalison
933.
Ny adala tsy ambakaina zanahary no atahorana
VOARITINA
934.
Ny fahendrena dia azo avy amin'ny fahalalana ary ny fahalalana dia azo avy tamin'ny fahadalana
niryna
935.
Toy misy ondana malemy ny fisainana tsy misy ahiahy.
niryna
936.
Ny fampiarana ny fahefana dia toy ny vola any amin'ny banky,araka nny ampiasainao azy no hanamaivana izany
niryna
937.
Ny lasa tsy anenenana fa ahombiazana ny ho avy
niryna
938.
Aza manao toy ny voalavo sasatry ny miaina ka saka matory avy no alam-bolombava.
niryna
939.
Mirirodrirotra toy ny vorodamban'ikala adala
niryna
940.
Valalan 'alika ka ny tompony aza tsy tia.
niryna
941.
Ikala fohy mizaha lanonana, ka efa mody vao hitan'ny olona.
niryna
942.
Raha avy ny "tokoa", dia lavitra ny lainga
niryna
943.
Ny ditra mahakeli-ray.
niryna
944.
Manjora mitsilany ka miverina any amin'ny tompony
niryna
945.
Ny fatra-pandà ihany no manaiky
niryna
946.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
947.
Ny fo ranomafana, ny tendrom-po tsy mba namana
niryna
948.
Mitari-drano an-kilahila, ny mitobaka no be noho ny mizotra
niryna
949.
Aza tomany homana toy ny akohokely
niryna
950.
Ataovy toy ny fitiavan'ny tanana sy vava; raha marary ny tanana, mitsoka ny vava ary raha marary ny vava manafosafo ny tanana
road
951.
Fitia te-hanadala sa fitia te-hanandroa? sa fitia safomorona, ny tena fitia tsy mahay miafina
aivetinakely
952.
Ny Fanahy no mahaolona
VOARITINA
953.
Ataovy toy ny lamban'akoho, ka faty no hisarahana
Bita
954.
Angano angano, arira arira, tsy izaho no mandainga fa ny.....?
Bita
955.
Aza manao toy ny laona sy fanoto; Ka izy mivady no miady ka ny ankizy no voatorotoro.
Bita
956.
Manalasala toa ny manambady batry nify; atao eo aloha toa hitsiky ho an'ny sasany; atao ariana toa hanaikitra
sahoby
957.
lava nify latsaka amoron-tevana ambaraky ny efa ho faty mbola mitsiky ihany
andrianaly
958.
kalon'ilay moana ka ny any am-po no mametsovetso
andrianaly
959.
lomanon'ny jamba ka izay hidonan'ny loha no hiakarana
andrianaly
960.
ramatoa be mihinan-kitoza , ny tsirony no tadiavina ny rara-kivy no raraka
19822709
Voalohany
Mialoha
30
31
32
33
34
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0823