Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mana
Hampiditra ohabolana
841.
Ny mamerina indroa manana ny antitra
JMR
842.
Aza manao toton'omby bory
McFy
843.
Aza manao toy ny vorontsiloza; mihambo tena fa izy ihany
McFy
844.
Aza manao be filaza ka manao kely fitondra mody
McFy
845.
Manao ny tompony toy ny mpihambo
McFy
846.
Aza manao sesi-montotra
McFy
847.
Aza manao toy ny zozoro, marotsaka ihany von-dohany
McFy
848.
Aza manao akoho vavy maneno
McFy
849.
Aza miandry mana hilatsaka avy any an-danitra
JMR
850.
Aza manao ariary zato am-pandriana
JMR
851.
Aza manai-boron-kotifirina
McFy
852.
Aza manao tanin'andron'adevolahy, ka ny kibo no atolotra andro
McFy
853.
Aza manao kely tsy mba mamindro
JMR
854.
Aza manao mizana tsindriana ila
JMR
855.
Mpiasa be vonton'anatra manao mbay lalana an-tsena
JMR
856.
Mahaiza manararaotra fa ny valala tsy indroa mandry am-bavahady
JMR
857.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
858.
Aza manao volo ngita mifandray tendro
mandrindra
859.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
860.
Tsy ampy ketsa mivezivezy, ny very ondry manara-morona.
jentilisa
861.
Aza manao sangy mihoatra ny loha, vosotra zary tenany
hery
862.
Aza manao kobaka am-bava sy volana an-tenda, hatreo no ho miakatra ihany
hery
863.
Mena-maso an-daoka, ka manao fatra-maina
hery
864.
Miangolangola manan-drojo ! Zara raha misy hototoina
hery
865.
Aza manao fitia mifono avona
hery
866.
Aza manao vahaza mody miady
hery
867.
Aza manao senegaly mahazo baiko
hery
868.
Tsy misy mamy ohatry ny zaza fa raha manaikitra ny nono akifika
hery
869.
Aza manao fo milafin-karena
hery
870.
Aza manao kamo be tenda
hery
Voalohany
Mialoha
27
28
29
30
31
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.019