Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anao
Hampiditra ohabolana
61.
Aza faly am-panaovan-dratsy,toa mpamosavy
FENOSOA2
62.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
tolozah
63.
Aza manao fihavanan-javona, ny andro ihaonana toa tsy hisaraka fa raha misaraka dia lasan-davitra
yveratsimb
64.
Na iza hianao na iza dia tsy misy mahasamihafa amin'ny hafa
niryna
65.
Ananao daholo ny zavatra rehetra kanefa hianao mbola mahatsiaro ho singan'irery ihany
niryna
66.
Aza manao valifatin'ilay fo menarana.
niryna
67.
Izay manao ny rariny manao hitsiny
yveratsimb
68.
Aza manao bingo manao matso fa mandehana amin’ny hitsiny
yveratsimb
69.
Tailan-doha manao soro-bilana ka ampihilana ny efa nivilana
Tahminah
70.
Aza manao ahy sy azy
yveratsimb
71.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
72.
Aza manao hoe : " an'ny lehilahy ihany", na hoe " an'ny vehivavy ihany"
yveratsimb
73.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo ateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
yveratsimb
74.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.
yveratsimb
75.
Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
yveratsimb
76.
Manao zanaka anaty fo maharary
yveratsimb
77.
Aza manao tsingala mahalala ombin-tena
yveratsimb
78.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba ?
yveratsimb
79.
Aza manao an' Andriamanitra azo am-po mandrakariva
yveratsimb
80.
Aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana.
yveratsimb
81.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
yveratsimb
82.
Tsy nisy nanao soa ohatry ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho
yveratsimb
83.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana ; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
yveratsimb
84.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany
yveratsimb
85.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany , fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany.
aivetinakely
86.
Anao aho ka mora, fa raha an'olona aho dia sarotra
yveratsimb
87.
Aza manao toa ny saka, hiady vao mifampitsodrano
yveratsimb
88.
Manao halo-pozan' ny mondry izy, ka mitoto azy ho mafy
yveratsimb
89.
Aza manao fikitra mampiady angely
yveratsimb
90.
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany
yveratsimb
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0823