Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anao
Hampiditra ohabolana
31.
Tia ho deraina toa olotra, ka any anaty tay no manao akiletika
lehsabotsy
32.
Manebaka ny hafa ho voretra hay zatra mpanao sasa-piso
herrand_miri
33.
Manao azy ho toy ilay vinanto mahay mandrafitra,ka mitondra hazo mivilana avy any an'ala.
gui.razafindrazaka
34.
Fadio ny manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy ho an'ny rehetra.
randriajj
35.
Tiako ny tenako,fa ianao mbola tiako lavitra
henintsoa28
36.
Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka
haj.hery
37.
Aza manao fira hazo am-pihaviana
OZ16
38.
Tsa misy raha te ho anao fa agnao ro te hanagn'azy
OZ16
39.
Mpirahalahy mianala, ianao tokiko izaho tokinao
OZ16
40.
"Tandremo sao manao Akoholahin'ambohimangidy, ka domina vao maneno"
Rafanomezantsoaa
41.
Tody mbola ho ela ve no tsy hanaovan-dratsy?
aina no fetra
42.
Aza manao fitia mifono avona.
sylvianna
43.
Aza manao fihavana-molotra:tezitra vao mifanatona.
sylvianna
44.
Aza manao fitia rano trambo:be fihavy, ka mora lasa.
sylvianna
45.
Mpifankatia mifanao ratsy ka izay mahavita be manenina
delemezy1
46.
aza manao toy ny boloky lahy homam-boatseva,ka mamy ny atsy sady fy ny eroa
dombay
47.
Aza manao masoandro avy any atsinanana : ny avo ihany no taingenana ; fa manaova masoandro avy andrefana : izay mivoha idirana avokoa
jock
48.
"Samy manana ny fiainana,ka aza mialina ny vitako fa manaova mba ho itako."
aer0jhony
49.
Aza manao ratsy,fa ny tsara dia manamarina ny tena
hasina45niaina
50.
Nahoana manao amin'ny jamba hoe, jereo amin'ny maso tsy miangatra, na amin'ny moana hoe, ento ny resaka fa ianao no zokiny.
Rakotoaly
51.
Jamba manao diamanga, ka ny rivotra no maty daka
Rakotoaly
52.
Tsongò fonao, bideno ty an'olo; marary anao, manilok'olo
Longonao
53.
Ka manao tana mahay vata
Longonao
54.
MANAOVA NY SOA DIENY MBOLA VELON'AINA
ANDRIAMENA45
55.
aza matahotra ny halavan'ny tohatra fa manahia ny tsy fahasahianao hiakatra
vonynive
56.
mety hanao fahadisoana ny olona fa tsy midika izany fa olon-dratsy izy
vonynive
57.
Banga mihinam-boanjo-bory , am-body manao kanety
ravelobe
58.
boka manao slow, raharaha ny mba te hanao zay mba ataon 'ny olona e
ravelobe
59.
boka mianatra bisikileta, vo manombaka tonga dia manao tsy an-kitazona
ravelobe
60.
"Aza mamaly ratsy amin'ny ratsy,fa aleo mivavaka sy manao soa aminy"
manirii
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.077