Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anao
Hampiditra ohabolana
121.
Raha ny fanontaniana amin 'ny fiainana dia hianao no valiny.Raha ny olana amin'ny fiainana dia hianao ihany no mahavaha azy
niryna
122.
Tiavo ny tenanao aloha dia manaraka ho azy ny zavatra rehetra
niryna
123.
Aza avela hanoroka anao ny adala ary aza manaiky anaraka ny adalany
niryna
124.
Andriambavy Vonizongo: mitafy jabo ka manao fehin-tongotra.
soanja
125.
Aza manao tsitsik'ombin'Ibetsileo; ny ombin'Ikoto an'Ikoto ihany, ary ny ombin'olona an'Ikoto ihany koa.
soanja
126.
Ho anao avokoa va Ibabay sy Lohavohitra?
soanja
127.
Aza manao kary mindrana akanjo.
soanja
128.
Aza manao lamban'andevo ka tsy harahana.
soanja
129.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asai-manao tsy mety, nony tsy irahina, manao.
soanja
130.
maty kiambo tohin'ny olotra ozy ka eny ambon'ny tay no manao tsongolo batiba
meljah
131.
Manao atody mafana ila.
soanja
132.
Ganagana mandro samy manao izay tiany.
soanja
133.
Rafotsibe mataho-tararaka ka ianao hariva eo, izaho alina eto.
soanja
134.
Manao ho katsaka ka ladinim-bahy.
soanja
135.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
136.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
137.
Manao longoa mitoto-bozaka.
soanja
138.
Manao maso voatoton-tany.
soanja
139.
Aza manao tany avo avaratra.
soanja
140.
Tefitra, toy ny vitsika ka manao varavarana tandrifin'ny lanitra.
soanja
141.
Hala manao trano, ka ny tsinay no fetra.
soanja
142.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
143.
Nonon'ondry efa-doza, telo antambo, roa tsy miova fa fanao.
soanja
144.
Aza avela ny omaly no hanjaka amin'y fiainanao androany.
soanja
145.
Manao toy ny Bezanozano,ka ny vavy indray no feno lovia
niryna
146.
Aza manao loham-boto ka efa fantatra fa tsy omby mbola sisihana ihany.
kimbol
147.
Aza manao hajejojejoan'ilay Ikala vao miana-dahy ka mosoara iray ihany no hamelomana fera
kimbol
148.
Mpamosavy vovozin'amboa, kaosenao ia fa tiaanao evao ity raha mazary.
vesta
149.
Aoka tsy hanao toy ny mpirafilahy miray fandriana, ka tsy afaka hiray lamba, na samy te-hiady amin'ny hatsiaka aza.
Razatovo
150.
Aza manao baby roa toa katsaka
niryna
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0504