Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anao
Hampiditra ohabolana
121.
Ho anao avokoa va Ibabay sy Lohavohitra?
soanja
122.
Aza manao kary mindrana akanjo.
soanja
123.
Aza manao lamban'andevo ka tsy harahana.
soanja
124.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asai-manao tsy mety, nony tsy irahina, manao.
soanja
125.
maty kiambo tohin'ny olotra ozy ka eny ambon'ny tay no manao tsongolo batiba
meljah
126.
Manao atody mafana ila.
soanja
127.
Ganagana mandro samy manao izay tiany.
soanja
128.
Rafotsibe mataho-tararaka ka ianao hariva eo, izaho alina eto.
soanja
129.
Manao ho katsaka ka ladinim-bahy.
soanja
130.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
131.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
132.
Manao longoa mitoto-bozaka.
soanja
133.
Manao maso voatoton-tany.
soanja
134.
Aza manao tany avo avaratra.
soanja
135.
Tefitra, toy ny vitsika ka manao varavarana tandrifin'ny lanitra.
soanja
136.
Hala manao trano, ka ny tsinay no fetra.
soanja
137.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
138.
Nonon'ondry efa-doza, telo antambo, roa tsy miova fa fanao.
soanja
139.
Aza avela ny omaly no hanjaka amin'y fiainanao androany.
soanja
140.
Manao toy ny Bezanozano,ka ny vavy indray no feno lovia
niryna
141.
Aza manao loham-boto ka efa fantatra fa tsy omby mbola sisihana ihany.
kimbol
142.
Aza manao hajejojejoan'ilay Ikala vao miana-dahy ka mosoara iray ihany no hamelomana fera
kimbol
143.
Mpamosavy vovozin'amboa, kaosenao ia fa tiaanao evao ity raha mazary.
vesta
144.
Aoka tsy hanao toy ny mpirafilahy miray fandriana, ka tsy afaka hiray lamba, na samy te-hiady amin'ny hatsiaka aza.
Razatovo
145.
Aza manao baby roa toa katsaka
niryna
146.
Aza manao fahateran'alika ka antitra vao mihagaigy!
farihy
147.
Aza manao toy ny vilany, ny vody efa main'ny afo nefa ny hanina lanin'ny sasany
Ratianakel
148.
Aza atositosika ny sarimbavy fa tsy fantatra izay hanao feo voalohany.
Mahasahy
149.
Aza manao voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alam-bolom-bava
niryna
150.
Manao torin'akoho, atao am-pitsanganana ihany no sady mikimpy maso tokana.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0376