Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hava
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hava
Hampiditra ohabolana
61.
Ny fihavanana hono toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava azy mialoha no kely ila.
GEHTRIVAC
62.
- Haingo diso an'Iarivo, havalony hateza
danbal
63.
Ataovy toy ny fihavanan'ny mpamily ka ao anatin'ny fahasahiranana vao tena mifamonjy
aivetinakely
64.
Ny ory tsy havan'ny manana.
niryna
65.
Ny zavatra tsara sy mahavariana amin'ny fiainana dia ny fahafantaranao fa sarobidy hianao
niryna
66.
Raha ny fanontaniana amin 'ny fiainana dia hianao no valiny.Raha ny olana amin'ny fiainana dia hianao ihany no mahavaha azy
niryna
67.
ny fihavanana toy ny landy , vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy hialan-dromoromo
kiriah
68.
Vorondolo miaraka amin'akoho: miala fa tsy havanay. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
69.
Fihavanan'amboa ka ravan'ny taolana iray.
soanja
70.
Fihavanan-takatra ka ory miara-mitokiky, faly miara-mitokaka.
soanja
71.
Toy ny voara ny fihavanana, ka raha verahina dia misy vitsika.
soanja
72.
Mamatan-tany foana toy ny havandra ririnina.
soanja
73.
Tsy ny fangilohilon'ny voantay na ny fahavasoky ny voangory.
soanja
74.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
75.
Ny anana aza mahavaly hena.
soanja
76.
Fihavanan-dandy ka ny madilana tsy maito ary ny malemy tsy tapaka.
soanja
77.
Tana-kavia sy havanana hono ka mamy ny atsy,tsy foy ny aroa...
ionosaoly
78.
Ny fihavanana ve? alavirina izy manantona, ankekezina izy mandositra
niryna
79.
Teraka omby fahavaratra ka sady lalao no harena.
aivetinakely
80.
Miandra, miondrika tahaka ny vitsy, tsy lamaody fa tahotra fahavalo.
aivetinakely
81.
Fiadanana tsy natolotra fa nokarohina, very hasina raha tsy nanajàna havana.
aivetinakely
82.
Ny fihavanana dia toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
niryna
83.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
84.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
85.
ataovy toy ny sira ny fitondrana havana, mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana fa ny havana no lelafin-katelina
bobone
86.
Toy ny jiafotsy ny fihavanana: raha vao mikasokasoka, raha tonta misy romoromony
niryna
87.
Ny fo rano mafana ka nony mitroatra mahavaky fefiloha.
aivetinakely
88.
Raha maty aho mateza rahavako
niryna
89.
Tsy mahazaka havam-bady, very voninahitra sady tsy manan-drariny.
aivetinakely
90.
Ny fihavanana hoatra ny landy, maty isika famonosana, velona itafiana ka ny madilana arahi-panondro.
niryna
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0189