Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hava
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hava
Hampiditra ohabolana
241.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
vale
242.
Izay mahavangivangy tian-kavana; ny malemy fanahy tratra am-parany
Fanja1
243.
Aza manao fihavanam-bato ka tapaka tsy azo atohy intsony.
jentilisa
244.
Aza ny havana no asian-dratsy, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
lanto
245.
Aza mandalo tanĂ -misy havana.
lanto
246.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
lanto
247.
Aza manao fihavan-molotra : tezitra vao mifanantona.
lanto
248.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana mitsoka ny vava, raha marary ny vava misafo ny tanana.
lanto
249.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
250.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
lanto
251.
Ny ahiahy tsy ihavanana.
lanto
252.
Izay mahavangivangy tian-kavana.
lanto
253.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
254.
Aza manao fihavanan-karena, ka tomany handratra ny sasany
hery
255.
Aza ny tarehiko mavomavo no jerenao fa ny havako an-dilambato heverina
Fanja1
256.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
Voalohany
Mialoha
7
8
9
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.038