Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe iady
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
iady
Hampiditra ohabolana
61.
Mody hoe tsy miady, tsy miady kanefa ny kobay akelika ihany.
niryna
62.
Tsy miady, sahala;ka hiady, hisy resy.
niryna
63.
Gena miady amin'ny maizina, ka izay mitsika aloha no vaky vava.
hr9296
64.
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
latina
65.
aza manao ombilahin'Ihosy: ampiadin-tsy miady, ampihosen-tsy mihosy, hanin-kena mafy hena, avela ihany, manoto ny madinika.
latina
66.
Miady lalana imaso toy ny rarin'ny mpianatra
latina
67.
Atody tsy miady amam-bato
latina
68.
hendry miady amin'adala, ka havizanana no hita
latina
69.
Tsy miady, sahala; ka hiady, hisy resy
latina
70.
Aza miady vitana amin'akoho fa raha hiantsena aza izy lolohavina
FRanaivo
71.
antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
litakelinineny
72.
ny atody tsy miady amin'ny vato
Malalason
73.
aza mampiady karajia @ antitra fa ny antitra antitra ihany
dadabe
74.
Tsy miady tsy miady ny kobay ankelika ihany.
hery
75.
Tsy mitsatsaingoka ho zanany na miady ho reniny
doum
76.
Adin'ankizy, maraina miady, hariva miombona
doum
77.
ANtitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
doum
78.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
79.
Tsy miady tsy miady, ny kibay akelika ihany
doum
80.
Izay tsy miady olom-bodo, izay to fo mamosavy.
jentilisa
81.
Atody miady amim-bato
JMR
82.
Aza miady amin'ny adala
JMR
83.
Mitsangam-poana toa kiady
McFy
84.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hiady vomanga
JMR
85.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
86.
Tsy miady sahala, ka hiady, hisy resy
hery
87.
Aza manao vahaza mody miady
hery
88.
Hendry miady amin'ny adala, ka havizanana no hita
hery
89.
Mody tsy miady, tsy miady, nefa ny kibay an-kelika ihany
Vetso
90.
Izay tsy miady olom-bodo, fa izay to fo mpamosavy
JMR
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4858