Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ndra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ndra
Hampiditra ohabolana
61.
Aza manao an' Andriamanitra azo am-po mandrakariva
yveratsimb
62.
Sobiky rindra notampenan-kerana, ka ny azy fanahy iniany
yveratsimb
63.
«Veloma» tsy mba adidy : sakafo lany tsy mba andraikitra.
yveratsimb
64.
Atody tsy afindra reny ; ro tsy afindra vilany
yveratsimb
65.
Kary mihomehy ny vorondolo, ka ny mandady indray no mihomehy
yveratsimb
66.
Trandraka milevina, ny volontany tsy ariana.
aivetinakely
67.
Mifankatia amin'ny amalona, ka nony sendra tia, nabolilany
yveratsimb
68.
Ny fihavanana toa fasambazimba, ka izay mandrava aloha no tapak'ila
yveratsimb
69.
Miara-monina amin-dRakalamoana ka ny baiko andratsana no be.
aivetinakely
70.
Tahaka ny kibon'omby ririnina, ka mitondra tapany lava
yveratsimb
71.
Raha indray mandeha no misambo-bary ka tsy mahazo, aza mandoro ny fatam-bary
yveratsimb
72.
Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
yveratsimb
73.
Dridran' Ingilo: andrasan-ko sitrana vao manapa-kozatra
yveratsimb
74.
Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no mandre aloha
yveratsimb
75.
Ny olona handrandrana no hanafenan-doha sola
yveratsimb
76.
Mandrara homana ohatra ny goaika
yveratsimb
77.
Raha mahay mitaingin’ampondra, fa raha tsy mahay mitangina ampombo
yveratsimb
78.
Aza mitondra entan-tsy voafehy
yveratsimb
79.
Adala toa zokim-bomanga, ny lehibe indray no hosen-davenona
yveratsimb
80.
Tanora tsy mandray ravin-dena, ka fotsy volo vao miloloha sobiky
yveratsimb
81.
Gisa lahy homan-ketsa, ka izy mangalatra indray no avo feo
yveratsimb
82.
Ny tendrombohitra fandrian'ny zavona, ny renirano fandrian'ny mamba fa ny olombelona kosa fandrian'ny adidy sy ny andraikitra.
yveratsimb
83.
Trano nafindra tsy mitovy zoro.
aivetinakely
84.
Hafahafa fitia sifotra ka ny tamenany indray no ariana
yveratsimb
85.
Mitsaha-menomenona hoatra ny vary sosoa voatondraka.
niryna
86.
Aza mody milaza fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra atao.Andriamanitra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafina.
niryna
87.
Sendra masaka tokony hihinana Avy tsy asaina nasesiky ny razana.
niryna
88.
Be nangy iray fandriana, ka ny any an-doha indray no lasa tery.
rjuste
89.
Ny fihavanana hono toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava azy mialoha no kely ila.
GEHTRIVAC
90.
-Mitonantonana hotran'ny vinanto tsy mahare fosa, vao eny ambaravarana dia efa mitsiky vendrana
danbal
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0184