Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe olombelo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
olombelo
Hampiditra ohabolana
61.
fikasana an'olombelona fa ny didy an'andriamanitra
vale
62.
FIkasana an'olombelona fa ny didy an'Andriamanitra
doum
63.
Bainga mivadika no vavolombelon'ny mpiasa
doum
64.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro fa ny olombelona no be siasia
jentilisa
65.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, zanahary tsy omen-pondro fa ny olombelona no be siasia
hery
66.
Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao, ratsy izy ao
ftma
67.
Ny fikasana no an'ny olombelona fa ny tendry an'Andriamanitra
Vetso
68.
Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga
jentilisa
69.
Ny olombelona tsy main-tsy lena
jentilisa
70.
Faniriana an'olombelona zaka an'Nanahary
jentilisa
71.
Ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona
hery
72.
Tandremo ny hanan-drariny ; fa ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta, ka saromifanaikitra
hery
73.
Ny olombelona ohatra ny ladim-boatavo, raha fotorana iray ihany.
lanto
74.
Ny olombelona toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany
lanto
75.
Ny olombelona toy ny embok'akondro, raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny.
hery
76.
Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
eugene
77.
Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia
eugene
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6622