Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tsiny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tsiny
Hampiditra ohabolana
61.
miteny tsy afa-tsiny toy ny rafotsibe mihinan-kitoza, ny tsiro no tadiavina ka ny ivy no raraka
ramix
62.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
63.
Mpandihy lava volo-kelika, mahay mahazo tsiny tsy mahay mahazo tsiny
doum
64.
Banga misioka rivotra fotsiny
JMR
65.
Potsitr'ovin'Ankaratra, ka samy mihinana ny voapotsipotsiny
JMR
66.
Mpandihy lava volon-kelika, ratsy atao mahazo tsiny, tsara atao mahazo tsiny
JMR
67.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro fa ny olombelona no be siasia
jentilisa
68.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, zanahary tsy omen-pondro fa ny olombelona no be siasia
hery
69.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka
McFy
70.
bibilava vonoin'olona: tsy hosotroin-dro tsy hohanim-bentiny fa ankasomparana fotsiny izao.
jentilisa
71.
Ny tsiny toy ny rivotra: mikasika ny tena, fa tsy hita tarehy
Fanja1
72.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka.
lanto
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175