Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vita
Hampiditra ohabolana
61.
Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
niryna
62.
Aza ny namanao no ifaninananao fa ny tsara vitanao omaly.
aivetinakely
63.
Ny tena fahafinaretan'ny saina dia ny manao zavatra izay heverin'ny olona tsy vitanao.
niryna
64.
Ataovy izay zavatra fantatrao fa tsy vitanao.
niryna
65.
Asa atao an-kira, vita toa tsy natao.
aivetinakely
66.
Raha sery vitan'ny anamalaho, aza amonoana vatotr'akoho.
aivetinakely
67.
Arahaba ririnina ka vita tsy natao.
aivetinakely
68.
Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana.
aivetinakely
69.
Aza ny hafa ni ifaninananao fa ny tsara vitanao omaly.
aivetinakely
70.
Ny tena zava-dehibe amin'ny fiainana dia ny anaovanao ny zavatra heverin'ny olona tsy ho vitanao
niryna
71.
Vita ho azy tahaka ny karatr'i Naivo, i Naivo tsy nanatitra, ny fanjakàna tsy nitaky.
aivetinakely
72.
Ratsy atao amin-kavana, izay mahavita be no manenina
aivetinakely
73.
Manaova toy ny vary, tsy vitan'ny efa mijoro fa miondrika koa maka saina
aivetinakely
74.
Adin'ny mpirahalahy ka izay mahavita be no manenina.
lanto
75.
fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
jolie
76.
voly voanjon-dRakaretsaka: ny an'ny tena tsy vita, ka ny an'olona no karetsahina
latina
77.
totohondrim-boka: efa vita rahateo, fa ny hanainga nosisa
latina
78.
boka mijinja vary, ka mamorovoro ny efa vita
latina
79.
didimaso mitomany, ka ny vava ihany sokafana dia vita
latina
80.
Saka manao maloto ambony vatolampy, ny atao vita ihany fa ny hanotofana azy no tsy misy
ramix
81.
Aza miady vitana amin'akoho fa raha hiantsena aza izy lolohavina
FRanaivo
82.
Lomano an-dranomasina be ny vita ary be koa ny tavela
bmw307
83.
toa ilay voalavo nilomano ranomasina efa be ny vita ary mbola be koa ny hatao
romeobera
84.
Sola manasa tava, ka vita hatramin'ny loha
natix007
85.
vitam-bady tsy vitan-kavana
poon
86.
Sola manasa tarehy ka vita tsy nahy hatramin'ny loha
Falitiana2005
87.
Ny vady hono manam-pandehanana, fa nyhavana tsy azo ariana. # Ny vita-bady anefa tsy vitan-kavana
jo
88.
vary efa eny andoharano tsy vitan'ny efa mijoro tsara nefa miondrika indray maka saina.
estine
89.
Tsy ny namanao no hifaninanao fa ny tsara vitanao anio
doum
90.
Bangon'ilay takatra ka indray paoka de vita
doum
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0171