Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
jentilisa
Hampiditra ohabolana
61.
Tsy mahavaly fitia toa zaza
jentilisa
62.
Nofon-kena an-tanan-tsaka: lasa tsy miverina intsony.
jentilisa
63.
Mandamina ny an'olona nefa feno tseroka sy mirongo fakofako tahaka ny fihogo sy fandraotra ibangoana.
jentilisa
64.
Maty mamela mamy tahaka ny tantely
jentilisa
65.
Aza manao soa tapany.
jentilisa
66.
Hoditra azon'antitra: tsy hanina fa tanontanonina foana.
jentilisa
67.
Mpanankarena mahihitra: maty vao misy milanja
jentilisa
68.
Miaritra ny mahamay ho an'ny hafa tahaka ny takotra.
jentilisa
69.
May loha tsy mba mihinana tahaka ny takotra
jentilisa
70.
mpanankarena tsy mihinana: tsy tompony fa mpitahiry entana.
jentilisa
71.
mpanankarena mahihitra: tsy tompony fa mpiandry entana
jentilisa
72.
Mpanankarena mahihitra: mihary ho an'ny mpandevina
jentilisa
73.
be famaritra tahaka ny rambon'osy: lanitra tsy hianjera no tohanana
jentilisa
74.
Lehibe tratra mangala-pihinana ka hoe manandra-tsira!
jentilisa
75.
ny fanompoana tahaka ny endim-boanjo: ny madinika ihany no may.
jentilisa
76.
Tantely vaky: mitsentsitra avokoa na ny adala na ny hendry.
jentilisa
77.
Borizanon'Ivakiniadiana, ny tonga ihany no matin'entana.
jentilisa
78.
totohondry diavolana ka ny mazavaray ihany no voa
jentilisa
79.
rafotsibe no very sira ka rangahibe no voa tehamaina.
jentilisa
80.
Ampananona no maty vady ka Ambohitrandraina no miongo-bolo
jentilisa
81.
very maina tahaka ny tantely nahoso-bato
jentilisa
82.
Very maina toy ny menaka nahoso-bato.
jentilisa
83.
Voarabe endriky ny saha
jentilisa
84.
tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanĂ na
jentilisa
85.
tanora be sondrotr'aina mety ho faty alohan'ny marary
jentilisa
86.
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty.
jentilisa
87.
valalan'amboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika.
jentilisa
88.
tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka
jentilisa
89.
mpandany ny azo tahaka ny zaza mpandova
jentilisa
90.
Aza manaram-po tahaka ny kary an'efitra.
jentilisa
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0234