Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
jentilisa
Hampiditra ohabolana
151.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
152.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
153.
Ankifonofono toy ny varo-katsaka amam-bolony.
jentilisa
154.
Ny teny toy ny fonosana, izay mamono no mamboraka
jentilisa
155.
Mamitaka ny mividy omby anaty ambiaty.
jentilisa
156.
varotra an-takoboka toy ny varo-boanatsindrana
jentilisa
157.
ny hena masaka no mahavelona, ny hena-maso no mahafaty
jentilisa
158.
voron-tsy rasaina tsy hita aty
jentilisa
159.
ny akoho tsy foy tsy hita soritra
jentilisa
160.
ny teny tsy mazava tsy hita fototra
jentilisa
161.
saro-tiavina toa landy mohaka
jentilisa
162.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
163.
ny alina mitondra fisainana
jentilisa
164.
tanety lava misy isainana
jentilisa
165.
Ny natao handrandrana ve no hanafenana loha sola?
jentilisa
166.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
167.
...nefa raha diso aho dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko no ario
jentilisa
168.
ny arivolahy tsy maty indray andro
jentilisa
169.
aza mijery arina an-tava
jentilisa
170.
Tsy ampy ketsa mivezivezy, ny very ondry manara-morona.
jentilisa
171.
adi-vomangan'Ikirijavola ka avy hatrany dia ny voa-masony no potsirina.
jentilisa
172.
ny trondro lehibe tsy mifampihinana
jentilisa
173.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
174.
Miteny ny iray toa novankonina, miteny ny hafa toa nampalesina.
jentilisa
175.
Ny teny toy ny tori-hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
jentilisa
176.
Ny lainga toy ny vary aloha: mahafatra-po fa tsy mahavita taona.
jentilisa
177.
teny miakatra ifampierana, teny midina ifampifehezana
jentilisa
178.
Lainga sy fitaka tahaka ny ranomasom-boay
jentilisa
179.
Mamba noana tsy mahamasi-panidy
jentilisa
180.
Tanala very sampy ka ny manova no mety
jentilisa
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
8
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125