Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
jentilisa
Hampiditra ohabolana
151.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
152.
Ankifonofono toy ny varo-katsaka amam-bolony.
jentilisa
153.
Ny teny toy ny fonosana, izay mamono no mamboraka
jentilisa
154.
Mamitaka ny mividy omby anaty ambiaty.
jentilisa
155.
varotra an-takoboka toy ny varo-boanatsindrana
jentilisa
156.
ny hena masaka no mahavelona, ny hena-maso no mahafaty
jentilisa
157.
voron-tsy rasaina tsy hita aty
jentilisa
158.
ny akoho tsy foy tsy hita soritra
jentilisa
159.
ny teny tsy mazava tsy hita fototra
jentilisa
160.
saro-tiavina toa landy mohaka
jentilisa
161.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
162.
ny alina mitondra fisainana
jentilisa
163.
tanety lava misy isainana
jentilisa
164.
Ny natao handrandrana ve no hanafenana loha sola?
jentilisa
165.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
166.
...nefa raha diso aho dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko no ario
jentilisa
167.
ny arivolahy tsy maty indray andro
jentilisa
168.
aza mijery arina an-tava
jentilisa
169.
Tsy ampy ketsa mivezivezy, ny very ondry manara-morona.
jentilisa
170.
adi-vomangan'Ikirijavola ka avy hatrany dia ny voa-masony no potsirina.
jentilisa
171.
ny trondro lehibe tsy mifampihinana
jentilisa
172.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
173.
Miteny ny iray toa novankonina, miteny ny hafa toa nampalesina.
jentilisa
174.
Ny teny toy ny tori-hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
jentilisa
175.
Ny lainga toy ny vary aloha: mahafatra-po fa tsy mahavita taona.
jentilisa
176.
teny miakatra ifampierana, teny midina ifampifehezana
jentilisa
177.
Lainga sy fitaka tahaka ny ranomasom-boay
jentilisa
178.
Mamba noana tsy mahamasi-panidy
jentilisa
179.
Tanala very sampy ka ny manova no mety
jentilisa
180.
Tsy nandre sa tailam-pandrenesana no mitondra teny tanora?
jentilisa
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
8
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0188