Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
jentilisa
Hampiditra ohabolana
181.
Ny teny malefaka mahamora harena
jentilisa
182.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro fa ny olombelona no be siasia
jentilisa
183.
ny vava toy ny voro-damba ka mitriatra etsy mitriatra eroa
jentilisa
184.
Mampiteny ny moana
jentilisa
185.
Mitsaha-ketrika toy ny sosoa voatapo-drano
jentilisa
186.
Malagasy iray ihany.
jentilisa
187.
kely jerena toa entam-bazaha
jentilisa
188.
Leon-drakena, ka ny tany mena avy no andosirana
jentilisa
189.
Sakanam-bato, afa-kenatra.
jentilisa
190.
Ranotrambo: be fiavy fa mora lany
jentilisa
191.
Naniry zaza ka tera-dahy
jentilisa
192.
nitady toko ka sendra vato
jentilisa
193.
Sira latsaka an-drano ka tsy himpody intsony!
jentilisa
194.
Izay mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, ny an-tanan-droa foana avokoa.
jentilisa
195.
raha mahay manan-droa fa raha tsy mahay votso-droa
jentilisa
196.
Rano atsakaina mody ventiny
jentilisa
197.
Manahy manana toy ny manana jiafotsy
jentilisa
198.
toy ny tsindranolahy an-keniheny, ka ny tamana miray ihany no miray.
jentilisa
199.
Tsy mety raha fony tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary.
jentilisa
200.
Roalahy miditra ala ka izy tokiko moa izaho tokiny.
jentilisa
201.
izay iray zaza no iray tafasiry
jentilisa
202.
Andro iray toa zato
jentilisa
203.
Ny andro hihaonana toa zato
jentilisa
204.
Aza milaza atsanga tsy aman'orana
jentilisa
205.
andao hitapatapak'ahitra sy hitorotoro ravina!
jentilisa
206.
Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambonin'ny fe
jentilisa
207.
ny toko dimy samy manana ihany
jentilisa
208.
Aza manao sioka mampandry adrisa
jentilisa
209.
aza mahafotsy rora miteny ny ray aman-dreny.
jentilisa
210.
Aza mitomany handatsaka aina toa bala
jentilisa
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
9
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0153