Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
jentilisa
Hampiditra ohabolana
181.
Tsy nandre sa tailam-pandrenesana no mitondra teny tanora?
jentilisa
182.
Ny teny malefaka mahamora harena
jentilisa
183.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro fa ny olombelona no be siasia
jentilisa
184.
ny vava toy ny voro-damba ka mitriatra etsy mitriatra eroa
jentilisa
185.
Mampiteny ny moana
jentilisa
186.
Mitsaha-ketrika toy ny sosoa voatapo-drano
jentilisa
187.
Malagasy iray ihany.
jentilisa
188.
kely jerena toa entam-bazaha
jentilisa
189.
Leon-drakena, ka ny tany mena avy no andosirana
jentilisa
190.
Sakanam-bato, afa-kenatra.
jentilisa
191.
Ranotrambo: be fiavy fa mora lany
jentilisa
192.
Naniry zaza ka tera-dahy
jentilisa
193.
nitady toko ka sendra vato
jentilisa
194.
Sira latsaka an-drano ka tsy himpody intsony!
jentilisa
195.
Izay mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, ny an-tanan-droa foana avokoa.
jentilisa
196.
raha mahay manan-droa fa raha tsy mahay votso-droa
jentilisa
197.
Rano atsakaina mody ventiny
jentilisa
198.
Manahy manana toy ny manana jiafotsy
jentilisa
199.
toy ny tsindranolahy an-keniheny, ka ny tamana miray ihany no miray.
jentilisa
200.
Tsy mety raha fony tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary.
jentilisa
201.
Roalahy miditra ala ka izy tokiko moa izaho tokiny.
jentilisa
202.
izay iray zaza no iray tafasiry
jentilisa
203.
Andro iray toa zato
jentilisa
204.
Ny andro hihaonana toa zato
jentilisa
205.
Aza milaza atsanga tsy aman'orana
jentilisa
206.
andao hitapatapak'ahitra sy hitorotoro ravina!
jentilisa
207.
Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambonin'ny fe
jentilisa
208.
ny toko dimy samy manana ihany
jentilisa
209.
Aza manao sioka mampandry adrisa
jentilisa
210.
aza mahafotsy rora miteny ny ray aman-dreny.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
9
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0131