Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
jentilisa
Hampiditra ohabolana
241.
ny hovadiana be ihany fa ny horafozanina no tsy misy
jentilisa
242.
Ory ampiana toa vehivavy rafy
jentilisa
243.
Rafotsibe naka rafy ka naka loza ho an'ny tena
jentilisa
244.
faravady anadahy
jentilisa
245.
Mpitery mahita ny tohany ary mpirohy mahita ny traingony
jentilisa
246.
foza lahy atakalo foza vavy
jentilisa
247.
Boka mihalo-poza, mipaka ihany fa tsy mitondra
jentilisa
248.
Boka mihinan-kitoza ny fihinana lavorary fa ny manala kaka no ady mafana
jentilisa
249.
Be filaza fa kely fitondra
jentilisa
250.
Fatra-pila tombony ka natombony
jentilisa
251.
Hafahafa toa sifotra ka ny tamenany indray no ariana
jentilisa
252.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana ka sendra izay homan'olona
jentilisa
253.
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
254.
Vatan'oron-dambo mitrongy vao homana
jentilisa
255.
mampakatra feta tsy madity, avy ny orana dia akipany
jentilisa
256.
Tongo-boromahery tsy maka an-kasarotana
jentilisa
257.
tafika efa nidika tsy azo ajanona intsony
jentilisa
258.
tongotra mby an-dakana ka tsy mimpody intsony
jentilisa
259.
Nahoana no mpanefy ka dombo antsy?
jentilisa
260.
tehatehaka tsy mampiempa-tanana
jentilisa
261.
ny kamo ihany no sasatra
jentilisa
262.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
263.
Manantena ny efa azo ka tsy mandray ravin-dena
jentilisa
264.
tsy mety raha tai-dronono mandroatra
jentilisa
265.
miditra manimbolo, mivoaka manimbolo
jentilisa
266.
toy ny rivotra ankadilanana, ny avy avy moa ny tsy avy misesika
jentilisa
267.
Indrakindrafana toy ny soavaly vao miakatra an'i Mahamasina
jentilisa
268.
mitonatonana toy ny vinanto tsy mahare fosa
jentilisa
269.
Zanaky ny omby masiaka tsy mba matahotra ny reniny
jentilisa
270.
mifankatia amin'amalona; nony sendra tia nabolilany
jentilisa
Voalohany
Mialoha
7
8
9
10
11
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0437