Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alana
Hampiditra ohabolana
91.
Mitoditodika hoatrany olona mangery amoron-dalana
pablo
92.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, mahatantesa ny valin-kitsaka
JMR
93.
Mpiasa be vonton'anatra manao mbay lalana an-tsena
JMR
94.
Ny teny toy ny ketsa, ka izay mahalana sosohana
hery
95.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina
hery
96.
Ny be no avy, ny kely no mialoha làlana
hery
97.
Atody makakoa latsaka an-dalana, samborina izy maty ny ray; avela izy, maty ny reny.
ftma
98.
Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambonin'ny fe
jentilisa
99.
Ny teny toy ny ketsa ka izay mahalana sosohana
hery
100.
mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka
jentilisa
101.
Ny nenina tsy mipetrka hatao Mbay lalana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa
McFy
102.
Nify lanin'ny olitra ka alana no mahatsara azy
ftma
103.
Mitari-drano ankilahila ka ny very an-dalana no betsaka
jentilisa
104.
Zatra ny lalan-dririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
vale
105.
Mpiasabe vonton'anatra, eny an-tsena avy no manao mbay ilalana
jentilisa
106.
Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato.
lanto
107.
Ny nenina tsy mipetraka hatao Mbay làlana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa.
lanto
108.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0203