Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alana
Hampiditra ohabolana
61.
Ny eritreritra dia tsara lavitra noho ny fahalalana.
niryna
62.
Mpiasa be voton'anatra ka manao mbay lalana an-tsena
rtol
63.
Ny fandefasana eritreritra no zava-dehibe noho ny fahalalana
niryna
64.
Zatra ny lalan-dririnina ka manao hitsin-dalana fahavaratra.
aivetinakely
65.
Tombon-dalana ny lasa, fa lalan-kiarahana ihany.
niryna
66.
Voly vary mahalana ka ny atao no alaina.
aivetinakely
67.
Toy ny rivotra an-kadilalana;ny ho avy avy, ary ny tsy avy misesika ihany.
niryna
68.
Ny harena toy ny volon'orona ;kely alana maharary, be alana maharary
Moundzee
69.
fanambadian-tery setra dia ranomaso mivalana an-tava ihany
latina
70.
Milomano mivalana (na miorika) ka manabe vava ny ony
latina
71.
Miady lalana imaso toy ny rarin'ny mpianatra
latina
72.
izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina
latina
73.
boka mihina-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny fanalana kaka no ady mafana
latina
74.
Mpamosavy nalevina an-dalana, ka ny valin-kitsaka no miverina
latina
75.
Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
latina
76.
vazivazy iray an-dalana, fa ny nonon-drafozana tsy filalao
miara
77.
Tsy alikalahin'ialahy ny ben'ny tanàna, no sady hamfa làlana no hitsoka kiririoka
jex
78.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
79.
ny vola tsy mandry lalana toy ny rano : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
80.
Aleo kapohina an-dalana toy izay resy an-kabary
jentilisa
81.
Adala mandoro trano, ara-dalàna ny firehetany
Mandefitra
82.
Hamidio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara
doum
83.
Zatra ny lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
doum
84.
Bingo mahafeno lalana
jentilisa
85.
ny lainga mora atentina fa sarotra ialana.
jentilisa
86.
Tsy kely lalana ny ratsy
JMR
87.
Ny anarana mampodi-mandry ny tarehy mampiverin'ilalana
JMR
88.
mitombo an-dalana toa dian'andriana.
jentilisa
89.
ny fanoron-dratsy no miverina ilalana
jentilisa
90.
fitia savony, tiana fa avalana rano.
jentilisa
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0208