Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hefa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hefa
Hampiditra ohabolana
91.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
92.
Tsy misy mamy hoatran'ny zanaka fa rehefa manaikitra ny nono ahifika ihany.
fily
93.
Rehefa tany alina daholo
doum
94.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
95.
Rehefa mety ny atao ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa. Rehefa tsy hety ny atao, ny tain'akoha aza mahasolafaka
JMR
96.
Tsy misy mangidy noho ny sakay fa rehefa teny ierana dia hanina
mandrindra
97.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy : raha vao tia kasokasoka, rehefa tonta tsy hilaozandromoromo
mandrindra
98.
Mandehana dieny malaina, fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
hery
99.
Tsy misy mamy ohatry ny zanaka fa rehefa manaiki-nono akifika!
vale
100.
ny alahelo toy ny rahona, rehefa mavesatra mianjera.
jentilisa
101.
mifohaza dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
jentilisa
102.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
103.
Na amboako na amboan'olona rehefa vandana dia kary
jentilisa
104.
Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa.
hery
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0395