Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ihany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ihany
Hampiditra ohabolana
91.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
92.
Gisalahy lasa namana ka ny sisa mihiaka ihany.
soanja
93.
Hady vomangan'ilay kamboty, ka heviny ihany ny lany manta.
soanja
94.
Banga mihinam-boatavo ka tsako tokana ihany.
soanja
95.
Toy ny taretra ka ny farany ihany no alain-taranaka.
soanja
96.
Tsindranolahy an-keniheny ka ny tama-miray ihany no miaraka.
soanja
97.
Ny dobo tsy hita no mahamanina, fa rehefa hita sahala ihany.
soanja
98.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
99.
Vongan-tany nentin-driaka, teo ihany fa levona.
soanja
100.
Voninahitri ny rahona deraina ihany fa tsy mitoetra
kiriah
101.
Voalavo latsaka an-ketona, ka halavoana leo ihany fa ny akoralava no tsy laitra.
soanja
102.
Fandiorano, ka hisitritsitrika dia izy ihany, hisehoseho dia izy ihany.
soanja
103.
Lolokely an-tanin'andro. ka hivelabelatra dia izy ihany, hikombokombona dia izy ihany.
soanja
104.
voadinan-kizy ka ambara ihany rehefa voakapoka
turin
105.
Aza manao loham-boto ka efa fantatra fa tsy omby mbola sisihana ihany.
kimbol
106.
Aza manao hajejojejoan'ilay Ikala vao miana-dahy ka mosoara iray ihany no hamelomana fera
kimbol
107.
tambatambazan-koambakaina, tiana ihany kanefa adalaina Ny Andri-Fara
Rapha
108.
Totohondry diavolana, ny mazava iray ihany no voa
niryna
109.
be dohiaka ohatran'ny volom-pitombenana, efa tsofin'ny hetotra mbola mamikotra ihany
razion
110.
Kely ila nangala-badin'olona, nahazo ihany fa tsy afaka nitsoaka.
andokely
111.
Manao torin'akoho, atao am-pitsanganana ihany no sady mikimpy maso tokana.
aivetinakely
112.
Tsy misy fanafodiny tahaka ny hanigna, mionona ihany fa tsy zaka.
aivetinakely
113.
Betsaka ny mandray ny toro-hevitra fa izay misaina ka mandray izany ihany no mahazo tombon-tsoa
niryna
114.
Tsy misy manome hevitra tonga lafatra raha tsy ny tenanao ihany
niryna
115.
brĂ´ne niaraka ihany dia sola ve vao hifanary?
bobone
116.
Toy ny parakin'Amboatany:misy ihany fa mampandozaina
niryna
117.
Adin-jazakely, ka ny ranomaso maina ihany no fetrany.
aivetinakely
118.
Aza atao fitia tsihy ka ny alina ihany no tsara ihaonana.
aivetinakely
119.
Tevi-Janahary, rehareha ihany fa tsy mitovy amin'ny nataon'olombelona.
aivetinakely
120.
Azon-doza tahaka ny kangoroa, teraka ihany fa tsy maintsy atao ampaosy.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0257