Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ihany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ihany
Hampiditra ohabolana
361.
tafasirin'adala, ny lasa ihany no averimberina
jentilisa
362.
ny hendry mody voky, ny adala manesika ihany.
jentilisa
363.
ny tapany ihany no mikobana
jentilisa
364.
Vilany misarona ka toa misy hena ihany
jentilisa
365.
Alahelo tsy ambara havana, zakan'ny tompony ihany
DIDIH
366.
Akoho kely latsaka an-kady, hiantso, kely feo; hanidina, tapak'elatra; hitoetr ihany, manina an-dreniny
McFy
367.
Arivo teny, zato kabary, fa iray ihany no marina
booboo
368.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
369.
Ikotokely milalao kary ka ny filalaovana ihany ny ahy fa ny kary an-dRafotsibe
Avahi
370.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany
McFy
371.
Antitra miady kalo ka ny antitra antitra ihany
jentilisa
372.
Ny mahihitra ihany no lany be
jentilisa
373.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
vale
374.
Be kibo mahihitra, ny an'olona ihany no tadiaviny hamenoana azy
ftma
375.
Anaran-tany no Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
ftma
376.
Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
hanta77
377.
Andriamanitra tsy andrin'ny olona andriko ihany
Fanja1
378.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
379.
Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany.
hery
380.
Ny olombelona ohatra ny ladim-boatavo, raha fotorana iray ihany.
lanto
381.
Ny olombelona toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany
lanto
382.
Ny olombelona toy ny embok'akondro, raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny.
hery
383.
Aza ny vato handrĂ tra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
Voalohany
Mialoha
11
12
13
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9421