Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ihany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ihany
Hampiditra ohabolana
1.
Soron`afon`i kala adala ka ny eo tsy levona ny ato asesika ihany
RIJA08
2.
Tanora mahita fotsim-bary ka arotsahy ihany no ao antsaina
RIJA08
3.
Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
RIJA08
4.
Tambanivohitra nahita fiaramanidina ka na mafy aza ny fiainana tsy maintsy mitraka ambony ihany
RIJA08
5.
Sasa forin`ny maro anaka ka indray manebaka ihany dia vita
RIJA08
6.
Aza manao toy ny mpamaofy voanjobory , ka ny olona fosaina ihany avy eo no hangatahana sakafo
Mi69
7.
Aza atao fitia fiangonana ka isakin'ny alahady ihany vao vangiana
Zmf11
8.
Aviavy be toy ny tandrimo, kanefa raha sendra rivotra milefitra ihany.
Zohimbato
9.
Ny hendry mody voky, fa ny adala manesika ihany
Azrael666
10.
Toriteny am-piangonana, ka ny tonga ihany no voalevilevy
Azrael666
11.
Manan-karena mitafy jiafotsy, tototry ny lazany ihany
hery
12.
Tsy misy mahay milatro tahaka ny dokotra, fa rehefa taitra mirifatra ihany
Mbolahasy
13.
Tsy misy mahery noho ny masoandro, fa rehefa sembanin-drahona dia folaka ihany.
Tambanivohidahy
14.
Rehefa manondro Volana ny hendry dia ny tanany manondro ihany no ho hitan'ny vendrana.
Tibao
15.
Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.
Maminirinaheryz_
16.
Vazo mitovy ihany va dia hita rano
kabarsTipaka
17.
Ny tsipelina diso toy ny akotry am-bari-masaka ka rehefa voatsako mahasosotra ihany.
Nassa
18.
Na Miaina Eo Amin'ny Fotoana Sarotra Aza, Dia Miezaha Ihany Mba Ho Tafita
Avoss
19.
Bezano mihary: ny aomby raika ihany.
mpilaza444
20.
Aza manao lalitra tsy ho vorona,fa ny kely ihany no ho lasa lehibe
gerardjapon2
21.
Tsy misy ny kamo ambinina,fa ny hatsembohan'ny tavanao ihany no ihinanan'ny vavanao.
Ny_Arlinah
22.
voalavo misangy andavenona ka ditsoky ny nataony ihany
fanantenanahadji
23.
Ombilahy miasa, ka izay manao ihany no voakaravasy
Miarokimialy
24.
Aza atao fitia paraky ka atreho am-bava ihany
nalsonrazakariasa2015
25.
Mazoto kamo velona sahala amin'ny akoholahy, mba mifoha maraim-be ihany fa mijanona eo amorom-patana.
randriajj
26.
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa indray vĂ´ hifanary?
Ndriamanagna
27.
Mpamosavy miana-draharaha ka ny ao an-trano ihany no lanahana
OZ16
28.
Teny zato;kabary arivo fa tokana ihany no marina
Nofy Ny Fitia
29.
Ataovy fitia voampo:mbola lavitra ihany dia ampoizina.
sylvianna
30.
Aza atao fitia rora-paraky,Tiana ihany ka tsy hatelina.
falinafs
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0193