Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
91.
Aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy
yveratsimb
92.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.
yveratsimb
93.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly
yveratsimb
94.
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan'aina, raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
aivetinakely
95.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina.
yveratsimb
96.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
97.
Torovok' amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra
yveratsimb
98.
Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
yveratsimb
99.
Manao zanaka anaty fo maharary
yveratsimb
100.
Aza manao tsingala mahalala ombin-tena
yveratsimb
101.
Mahafoy erany ka tsy mahafoy mihintsana
yveratsimb
102.
Ny halavoana tsy mahalehibe
yveratsimb
103.
Aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranon'orana ho avy
yveratsimb
104.
Lon-damba sy fahenim-bary ; ka izay maharitra ela dia herinandro.
yveratsimb
105.
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary.
yveratsimb
106.
Vary aloha , mahatra-po fa tsy mahavita taona.
aivetinakely
107.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
yveratsimb
108.
Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po, fa tsy mahavita taona
yveratsimb
109.
Tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody
yveratsimb
110.
Raha indray mandeha no misambo-bary ka tsy mahazo, aza mandoro ny fatam-bary
yveratsimb
111.
Asesiky ny fitia sy ny hanina azy ka tsy mahalala masoandro ho faty
yveratsimb
112.
Raha soasoa no ataon-dRahavana, izaho irery mahatankadivory, roa lahy mahatana arivo
yveratsimb
113.
Kibo mikoraraika: ny tompony no mahalala
yveratsimb
114.
Vantotr' omby minono tsy mandoza fa mahatsiahy ny ela
yveratsimb
115.
Alahelon-dehilahy tsy maharitra hateloana
yveratsimb
116.
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana
yveratsimb
117.
Varifitoventy mahatapaka ny vozon' akoho
yveratsimb
118.
Ny mahay rano ihany no maty an-drano
yveratsimb
119.
Ny akanga mahalala ny tsaratsarao, mainka ny olona samy olona
yveratsimb
120.
Aza manao sotrobe lava tango, mahay atsy, mahay aroa
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0175