Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
631.
Akohokely miambozona tady mahazaka ka mizaka ny tseran'ny aina.
fily
632.
Adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no maha-tahotra
sasa
633.
Fitia tsy mivaly mahafohifohy saina
McFy
634.
Ny teny malemy maha mora harena
McFy
635.
Zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
jentilisa
636.
tsy hidera vady mahay mandihy aho fa eo ny sandriny hilaza azy.
jentilisa
637.
ny anateran-kira indray ve no milaza ho tsy mahay
jentilisa
638.
Ny fanahy no maha-olona
jentilisa
639.
Tanan-kavia sy havanana, izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
hery
640.
Joko tsorika mahasambo-kary
vale
641.
Mahay atsy mahay aroa toa sotrobe lava tango
vale
642.
Ny fanahy no maha olona
vale
643.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
vale
644.
Tsy mahafoy hamidy takotra ka manta vary
ftma
645.
Aza dia ny hodi-boanjo fanary no atao sakafo mahavita
ftma
646.
Ny teny malemy mahamora harena
ftma
647.
Izay mahavangivangy tian-kavana; ny malemy fanahy tratra am-parany
Fanja1
648.
Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza
Fanja1
649.
Tranoben'Antananarivo, izay mahavita aloha no manenina.
jentilisa
650.
Ny marina miraviravy tsy maharesy ny lainga tsara lahatra
chipie1
651.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
652.
Izay mahavangivangy tian-kavana.
lanto
653.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy.
lanto
654.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
lanto
655.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran- tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy
hery
656.
Ataovy fitian-dranon'erika: madini-piavy fa mahatondra-drano
hery
657.
Aza manao toy ny voavahy : tsy mahajoro tena, fa mitomany hisarangotra ny sasany.
hery
Voalohany
Mialoha
20
21
22
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0311