Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
601.
Tondro tokana tsy mahazo hao
hery
602.
Raha tsy mahalĂ izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
603.
Ny teny malemy mahamora harena
hery
604.
Ny teny toy ny fonosana ka izay mamono no mamaha
hery
605.
Ny teny toy ny ketsa ka izay mahalana sosohana
hery
606.
Raha sosoa no ataon-dRahavana, izaho irery no mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana arivo
hery
607.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana
hery
608.
Izay mahavangivangy tian-kavana
hery
609.
Havan-tiana tsy mahalavi-tany
hery
610.
Aza mijery vay masaka, fa voin-kava mahatratra
hery
611.
Trano atsimosy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
JMR
612.
Ny zanaka mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
JMR
613.
Izay maharitra vadin'Andriana, izay tsy maharitra vadin'i Kotokely
JMR
614.
mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran'ny rambony
ramuscle
615.
tondro tokana tsy mahazo hao.
jentilisa
616.
mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka
jentilisa
617.
izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary
jentilisa
618.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
619.
ny hevitry ny vitsy manodidina ny fatana fa ny hevitry ny maro mahatakatra ny lanitra
jentilisa
620.
akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
jentilisa
621.
Ny vola no maha rangahy
McFy
622.
Ny voin-kava-mahatratra
McFy
623.
Nify lanin'ny olitra ka alana no mahatsara azy
ftma
624.
Akohokely miambozona tady mahazaka ka mizaka ny tseran'ny aina.
fily
625.
Adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no maha-tahotra
sasa
626.
Fitia tsy mivaly mahafohifohy saina
McFy
627.
Ny teny malemy maha mora harena
McFy
628.
Zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
jentilisa
629.
tsy hidera vady mahay mandihy aho fa eo ny sandriny hilaza azy.
jentilisa
630.
ny anateran-kira indray ve no milaza ho tsy mahay
jentilisa
Voalohany
Mialoha
19
20
21
22
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0471