Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
601.
Aza mahandro hena tsy fantatra anarana
jentilisa
602.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
603.
Indrakindrafana toy ny soavaly vao miakatra an'i Mahamasina
jentilisa
604.
mitonatonana toy ny vinanto tsy mahare fosa
jentilisa
605.
Ataovy fitian-dranon'erika: madini-pihavy fa mahatondra-drano
jentilisa
606.
didimaso asiam-panafody ka mahareta fa hanana ny soa
jentilisa
607.
Ny voky tsy mahaleo ny tsaroana
McFy
608.
Tondro tokana tsy mahazo hao
hery
609.
Raha tsy mahalà izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
610.
Ny teny malemy mahamora harena
hery
611.
Ny teny toy ny fonosana ka izay mamono no mamaha
hery
612.
Ny teny toy ny ketsa ka izay mahalana sosohana
hery
613.
Raha sosoa no ataon-dRahavana, izaho irery no mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana arivo
hery
614.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana
hery
615.
Izay mahavangivangy tian-kavana
hery
616.
Havan-tiana tsy mahalavi-tany
hery
617.
Aza mijery vay masaka, fa voin-kava mahatratra
hery
618.
Trano atsimosy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
JMR
619.
Ny zanaka mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
JMR
620.
Izay maharitra vadin'Andriana, izay tsy maharitra vadin'i Kotokely
JMR
621.
mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran'ny rambony
ramuscle
622.
tondro tokana tsy mahazo hao.
jentilisa
623.
mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka
jentilisa
624.
izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary
jentilisa
625.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
626.
ny hevitry ny vitsy manodidina ny fatana fa ny hevitry ny maro mahatakatra ny lanitra
jentilisa
627.
akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
jentilisa
628.
Ny vola no maha rangahy
McFy
629.
Ny voin-kava-mahatratra
McFy
630.
Nify lanin'ny olitra ka alana no mahatsara azy
ftma
Voalohany
Mialoha
19
20
21
22
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0441