Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
511.
ny tsinjaka maro mahay, fa ny dada sarotra hianarana
zouzou
512.
Rafotsibe naka harena ; hidina toa tsy hahazo, nahazo toa tsy mahazaka
zouzou
513.
Antobavy milefa mahalegny takatra izy nijanogno-Antoboavy mandihy aligny, izy koa tsy dadinao ialao
salim
514.
Didi-maso asiam-panafody mahareta fa hanana ny soa.
hery
515.
Manao vain-drahalahy tsy mba maharary.
hery
516.
Tsy mahatoky saka aho fa trondro no laoka
fily
517.
Mahatoky ody voalavo angaha ianao no manao hena anjorondamba?
mandrindra
518.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana
mandrindra
519.
Tsy mahalala biby afa tsy ny sahona
mandrindra
520.
Ny teny toy ny tsinay raha rohitina mahafeno tay
mandrindra
521.
Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina
doum
522.
Herikerika mahatondra-drano
doum
523.
Isika hanateran-kira indray ve no milaza tsy mahay
doum
524.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
doum
525.
Atsipy ny tady eny atandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-po ny mahalala
doum
526.
Aza miteli-kafatra fa maha be kibo
doum
527.
Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra
doum
528.
Mpandihy lava volo-kelika, mahay mahazo tsiny tsy mahay mahazo tsiny
doum
529.
Ny hevitry ny maro mahata-davitra
doum
530.
Zaza fito tsy mahafehy trano
doum
531.
Tana-kavia sy havanana ka izay tsy maharary manafosafo
doum
532.
Maniraka zaza tsy nateraka maha be vatan'orona
doum
533.
Zoky be toa ray, zandry mahaleo mahalasana
JMR
534.
Ny maniraka andriana mahabotrabotra
JMR
535.
ny mandringa tsy omentehana hono mahatsiaro fahoriana mivadibadika tahaka ny lela may
estine
536.
Ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona
jentilisa
537.
Ny hevitrin'ny maro mahataka-davitra
JMR
538.
mandrora mitsilany ka mahavoa tena
jentilisa
539.
Bingo mahafeno lalana
jentilisa
540.
ny tampoka mahavery ny kasaina
jentilisa
Voalohany
Mialoha
16
17
18
19
20
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0193