Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
451.
Izay mahavangivangy tian-kavana, ny malemy fanahy tratra am-parany.
latina
452.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy
latina
453.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy
latina
454.
Aponga mihantona, velezina raha mahatsiaro
latina
455.
Be resaka ohatran'Ambositra fa tsy mahaleo an'Ambodivoara
latina
456.
Aza mba mitonatonana toy ny vinato tsy mahare fosa.
Swin
457.
ny fitiavana tahaka ny afo: raha lalaovina mandoro, raha koloina mahamasa-bary
kofaakama
458.
Ny lamban'ny matory irakofan'ny mahatsiaro.
lanto
459.
Mahalava moko gn'akanga, gny fitôvany
SENATERA
460.
Ataoko hahasoa gny fandroana maraina kay mahamavo
SENATERA
461.
Tsy gn'angira lava, mahavery agnomby
SENATERA
462.
manalasala toy ny marary mahalany hanina
nalaina
463.
mpanan-karena manjono raha mahazo fanampin-daoka raha tsy mahazo fialamboly
dadou
464.
Izay maharitra vadin' andriana fa izay tsy maharitra vadin' ikotokely.
vahatra22
465.
sola loha mividy fihogo, ka maha lasa ny saina hoe:ny volom-bava no atao soro-bilana sa ny volon-tratra no atao vaky tampona
ralevha
466.
Aza atao toy ny sotrobe hazo ka hita tsy mahafaly, very tsy mampalahelo
naritsimba
467.
Aza atao toy ny sotro be hazo ny vady, ka hita tsy mahafaly very tsy mampalahelo
naritsimba
468.
Jerem-potsiny ohatran'ny varin'amboa mahamay
herikely
469.
Ndra soa volo GNAKANGA, AKOHO ro mahafa-kegnatsy. =Na tsara volo ny akanga ny akoho foana manala hanatra=
Etienne
470.
mpanankarena manjono ka tsy mahazo naman'ny vonona ary raha mahazo atao fanampin-daoka
rindraintsoa
471.
misososo toa ny vinanto tsy mahare fosa
belobe
472.
aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy
tia
473.
izay maha vangivangy tia-kana
minha
474.
-Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha. -ny omby mahia no hanina, ny ao am-pahatra mahamena-maso. -lambolahy mitsako moka, ka sitrany ahay izay vaza-mihetsika.
nanapiso
475.
Ny fasana miandry mahazo, ny olona miandry tsy fidiny
mbelo
476.
Manalasala ohatry ny volom-pitombenana, hongotana maharary, tsy hongotana mitazona maloto.
Kintanakely
477.
aza mamahan_dalitra tahakan'ny mpanao ronono an_tavy
bobone
478.
Rafotsibe mita rano, ka izay mahasoa ataon'Andriamanitra
natix007
479.
toy ny fitiavana tsy hita fototra ka mahafanina ny tsy tia
Rapha
480.
Raha mahafaty tsy ambara valy
roscarb
Voalohany
Mialoha
14
15
16
17
18
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.6505