Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
481.
Tipaky antakin'anake: tsy maharary fa mahafaty
roscarb
482.
ny fasana hono miandry mahazo, ny olombelona miandry tsy fidiny
mbelo
483.
Le andeso mberoa ty raha mahazo anao tsy hifindra amiko
roscarb
484.
Ny hena masaka mahavelona, fa ny henamaso mahafaty
marozevo
485.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
486.
Ny teny tsara mahamora harena
hery
487.
tsipak'ombalahy ny ana-dray sy Reny mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina
Malalason
488.
Miteny tsy afa-tsiny toy ilay tovolahy manambady rafotsy be, itositosiana toa renibe, hilaozana nefa anjaran'ny tena, loa-bary sisa iononana, mihinana fa izay voky maharaka ny namany
ramix
489.
Ha hay e! Nahita an'i Sakabera ka nanary an'i Mahavatse
roscarb
490.
Ambinin-java maha ory
ariel
491.
Misosososo otrany vinanto tsy mahare fosa.
ariel
492.
erik'erika maha lasa tondra drano
ariel
493.
ana_dray aman-dreny raha tsy mahavoa maha fanina
ariel
494.
Hevitrin'ny maro mahataka davitra.
ariel
495.
Izay mahavangivangy tian-kavana
ariel
496.
Antitra manao baolina : ny traikefa avo dia avo fa ny hoza-pe no tsy maharaka intsony.
Valia
497.
Izay maharitra vady handriana
razooz
498.
kotro-baratra, akaiky mampatahotra, lavitra mahamanina.
jentilisa
499.
sangisangy toa an'i saka ka rahefa maharary dia mamoaka hoho
rado17
500.
Fotaka mahavoa ranjo mahavoa fe
naritsimba
501.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana.
jefra
502.
Kitapo tama-misy vola, ka raha mikointsam-poana mahamenatra.
jefra
503.
Mpatsaka mahay mikabary, hendry ihany fa ambanin'ny tany.
jentilisa
504.
ny tsinjaka maro mahay, fa ny dada sarotra hianarana
zouzou
505.
Rafotsibe naka harena ; hidina toa tsy hahazo, nahazo toa tsy mahazaka
zouzou
506.
Antobavy milefa mahalegny takatra izy nijanogno-Antoboavy mandihy aligny, izy koa tsy dadinao ialao
salim
507.
Didi-maso asiam-panafody mahareta fa hanana ny soa.
hery
508.
Manao vain-drahalahy tsy mba maharary.
hery
509.
Tsy mahatoky saka aho fa trondro no laoka
fily
510.
Mahatoky ody voalavo angaha ianao no manao hena anjorondamba?
mandrindra
Voalohany
Mialoha
15
16
17
18
19
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0188