Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
481.
aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy
tia
482.
izay maha vangivangy tia-kana
minha
483.
Ny fasana miandry mahazo, ny olona miandry tsy fidiny
mbelo
484.
Manalasala ohatry ny volom-pitombenana, hongotana maharary, tsy hongotana mitazona maloto.
Kintanakely
485.
aza mamahan_dalitra tahakan'ny mpanao ronono an_tavy
bobone
486.
Rafotsibe mita rano, ka izay mahasoa ataon'Andriamanitra
natix007
487.
toy ny fitiavana tsy hita fototra ka mahafanina ny tsy tia
Rapha
488.
Raha mahafaty tsy ambara valy
roscarb
489.
misoko toa ny ranom-panala ny tsiny an-koditra vao mahangoly
tiphen
490.
Tipaky antakin'anake: tsy maharary fa mahafaty
roscarb
491.
ny fasana hono miandry mahazo, ny olombelona miandry tsy fidiny
mbelo
492.
Le andeso mberoa ty raha mahazo anao tsy hifindra amiko
roscarb
493.
Ny hena masaka mahavelona, fa ny henamaso mahafaty
marozevo
494.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
495.
Ny teny tsara mahamora harena
hery
496.
tsipak'ombalahy ny ana-dray sy Reny mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina
Malalason
497.
Miteny tsy afa-tsiny toy ilay tovolahy manambady rafotsy be, itositosiana toa renibe, hilaozana nefa anjaran'ny tena, loa-bary sisa iononana, mihinana fa izay voky maharaka ny namany
ramix
498.
Ha hay e! Nahita an'i Sakabera ka nanary an'i Mahavatse
roscarb
499.
Ambinin-java maha ory
ariel
500.
Misosososo otrany vinanto tsy mahare fosa.
ariel
501.
Hevitrin'ny maro mahataka davitra.
ariel
502.
Izay mahavangivangy tian-kavana
ariel
503.
Antitra manao baolina : ny traikefa avo dia avo fa ny hoza-pe no tsy maharaka intsony.
Valia
504.
Izay maharitra vady handriana
razooz
505.
kotro-baratra, akaiky mampatahotra, lavitra mahamanina.
jentilisa
506.
Sangisangy toa ny an'ny saka ka rahefa maharary dia mamoaka hoho
rado17
507.
Fotaka mahavoa ranjo mahavoa fe
naritsimba
508.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana.
jefra
509.
Kitapo tama-misy vola, ka raha mikointsam-poana mahamenatra.
jefra
510.
Mpatsaka mahay mikabary, hendry ihany fa ambanin'ny tany.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
15
16
17
18
19
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0303