Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
181.
Fady mitondra fanilo antoandro fa mahabobo.
soanja
182.
Mpaka haravola akaikin'ny tevana ka na dia lavo aza, mahazo fanampiny.
soanja
183.
Hady lalina ka jere-mahafanina, ianjera-mahafaty.
soanja
184.
ny kibo noana tsy maha lavi-tany
kiriah
185.
Sokina mita rano, ka tsy mahabe vava ny mamba.
soanja
186.
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
187.
Androngo efa tazako, ka na hitsipelika aza tsy mahataitra ahy.
soanja
188.
Ny anana aza mahavaly hena.
soanja
189.
Mpanakarena mividy horompotsy, ka bozaka aman'ahitra no mahaory azy.
soanja
190.
Ondrilahy tsindrim-barotra ka na ngeza aza tsy mahaleo ny tenany.
soanja
191.
Ondry lahim-benty, mahalany kolokolon-tsasanangy.
soanja
192.
mahatra kely sandry itory kely vola hiady moramaty
turin
193.
Ny tsiny tsy misy maso fa mahita, tsy manantandroka fa manoto, tsy manana nify fa manaikitra, an-koditra vao mahangoly
walte
194.
Gny safa, laha volagny mahasola, laha tsy volagny mahakonotse
DEDAKE
195.
Vod mangettr ka ny mihaino ny feony mampme fa mihaino ny fofony mahatezitra !!!
Kdaombaramita
196.
sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo
bemena
197.
Lokin'ny vady tiana, manta mahatana am-bôtraka, magôdra môra ateligny
hery
198.
Ny anateran-kira indray no milaza tsy mahay.
walte
199.
Mitovy ty lava andro niainà no ty maro tany nombà fa ty amany tsy maharake ty tay lava
Ratianakel
200.
Mahantra tsy misy mpangoraka na mikapa aza misy mitoraka
Ratianakel
201.
Betabory tsy mahay milomano ka atsingevan'ny voataboriny
Ratianakel
202.
Rafotsibe nangataka omby, mahazo fanampi-karena; tsy mahazo, oviana moa ny omby no fangataka?
dangytsmaty
203.
Gny voay sandra hamono, moa gny rano koa laliky.Gnay tsy mahay milagno!
sylvoalias
204.
Misolantsolana ohatra ny vinanto tsy mahare fosa.
Minouchka
205.
Katsaka anaty lapoaly ka izay tsy mahatanty mipitika aloha.
aivetinakely
206.
Zanaka sy ray aman-dreny, tambazako izay mahafoy.
aivetinakely
207.
Fitia voazara, ny maharitra no tompony.
aivetinakely
208.
Ny teny ratsy mahaleo tena, ny teny tsara mila fampiharana
Crionlas
209.
Sitra-po tsy aretina, na maharary aza iaretana
Crionlas
210.
Zava-doza tahaka ny kankana mandimby mirana, sady mamoy aina no tsy mahate-hijery.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
9
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0333