Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atra
Hampiditra ohabolana
121.
Lany hatoka hoatra ny akoholahy matin'ady.
aivetinakely
122.
Manjilajilatra hoatra ny feo vantony.
yveratsimb
123.
Ny saboimaro maiva-mavesatra
yveratsimb
124.
Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo, ka ho fatin'ny daka no farany
yveratsimb
125.
Torovok' amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra
yveratsimb
126.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
127.
Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no izy
yveratsimb
128.
Manely vory ohatra ny akoholahy ambony sompitra
yveratsimb
129.
May tsy mba homana ohatra ny soitrafo
yveratsimb
130.
Mietaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny adrisa, fa tsy enina anay mitratraingo
yveratsimb
131.
Tsy misy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany ; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy tonga.
yveratsimb
132.
Mody tsy sompatra, kanefa mangalatra ny akondron’ny marary
yveratsimb
133.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
yveratsimb
134.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany
yveratsimb
135.
Longo ratsy tsy menatra izay hitsoriaka
yveratsimb
136.
Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpandoatra no vinitra.
yveratsimb
137.
Jejo mitaratra ka lany andro eo ampifidianana.
aivetinakely
138.
Vary aloha , mahatra-po fa tsy mahavita taona.
aivetinakely
139.
Volamena notaingenam-boahangy, tafahaona samy mamiratra.
aivetinakely
140.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
141.
Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po, fa tsy mahavita taona
yveratsimb
142.
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
yveratsimb
143.
Izay fatra-panova vady rava harena.
aivetinakely
144.
Fihavanan-takatra, ka ory miara mitokiky,faly miara mitokaka
yveratsimb
145.
Ny alahelo toy ny rahona, raha mavesatra mianjera
yveratsimb
146.
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra
yveratsimb
147.
Aza manaketra-tena, toy ny boka mizaha fitaratra
yveratsimb
148.
Mitsofa maina ohatra ny tsofa ben' Andohalo
yveratsimb
149.
Manisa be tsy ho an' ny tena ohatra ny vady tokantrano mason' ny mpanankarena
yveratsimb
150.
Mitsaha-pilàna ohatra ny mpivaro-baliha maty vady
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0354