Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atra
Hampiditra ohabolana
121.
Mody tsy sompatra, kanefa mangalatra ny akondron’ny marary
yveratsimb
122.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
yveratsimb
123.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany
yveratsimb
124.
Longo ratsy tsy menatra izay hitsoriaka
yveratsimb
125.
Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpandoatra no vinitra.
yveratsimb
126.
Jejo mitaratra ka lany andro eo ampifidianana.
aivetinakely
127.
Vary aloha , mahatra-po fa tsy mahavita taona.
aivetinakely
128.
Volamena notaingenam-boahangy, tafahaona samy mamiratra.
aivetinakely
129.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
130.
Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po, fa tsy mahavita taona
yveratsimb
131.
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
yveratsimb
132.
Izay fatra-panova vady rava harena.
aivetinakely
133.
Fihavanan-takatra, ka ory miara mitokiky,faly miara mitokaka
yveratsimb
134.
Ny alahelo toy ny rahona, raha mavesatra mianjera
yveratsimb
135.
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra
yveratsimb
136.
Aza manaketra-tena, toy ny boka mizaha fitaratra
yveratsimb
137.
Mitsofa maina ohatra ny tsofa ben' Andohalo
yveratsimb
138.
Manisa be tsy ho an' ny tena ohatra ny vady tokantrano mason' ny mpanankarena
yveratsimb
139.
Mitsaha-pilàna ohatra ny mpivaro-baliha maty vady
yveratsimb
140.
Dridran' Ingilo: andrasan-ko sitrana vao manapa-kozatra
yveratsimb
141.
Izay fatra-pandà ihany no manaiky
yveratsimb
142.
Izay fatra-piahiahy mpamosavy
yveratsimb
143.
Zatra ny antohojinga ka tsy velon' ny an-kararàna
yveratsimb
144.
Fatra-pifehy trano
yveratsimb
145.
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona
yveratsimb
146.
Ny tarehy an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamorainy
yveratsimb
147.
Mandrara homana ohatra ny goaika
yveratsimb
148.
Ny vary tsy ilaozan' akatatra, tanàna tsy ilaozan' adala
yveratsimb
149.
Gisa lahy homan-ketsa, ka izy mangalatra indray no avo feo
yveratsimb
150.
Kely fitia ka mitatatra fahavaratra.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1068