Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atra
Hampiditra ohabolana
211.
Arosy tapak'elatra ka hitoetra manina an'Itasy, hanidina tsy manan'elatra.
soanja
212.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho mavon-drazana.
soanja
213.
Fihavanan-takatra ka ory miara-mitokiky, faly miara-mitokaka.
soanja
214.
Mandoka tena ohatra ny papelika.
soanja
215.
Tsy maneno alohan'ny fitatra.
soanja
216.
Mitsaha-pilana ohatra ny mpivaro-baliha maty vady.
soanja
217.
Toy ny herana ka mitomany handratra ny hafa.
soanja
218.
Ny mitory hisatra aza misy manjilatra.
soanja
219.
Todian'ny ambora tsy nentina ka mivongika hazo tsy fantatra.
soanja
220.
Zatra ankararana ka tsy vitan'ny an-tsiririka.
soanja
221.
Mpangalatra tsy azo, olo-marina.
soanja
222.
Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana.
soanja
223.
Ny latsaka te hitovy, ny mitovy te hihoatra.
soanja
224.
Ankoatra ny bonga toa hisy jiolahy, ambadiky ny avo toa hisy tafika.
soanja
225.
Mampakatra feta tsy madity ka raha avy ny orana dia mihotsaka.
soanja
226.
Aza manao tany avo avaratra.
soanja
227.
Afa-draorao ohatra ny tany afa-dilatra.
soanja
228.
Aleo maty toy izay menatra olona.
soanja
229.
Vikin'alina ka aleo tafahoatra, toy izay latsaka.
soanja
230.
Hodin-tsokatra ilatsahan-kavandra ka mikoriana any ivelany.
soanja
231.
Miakatra ho rahona fa mielin-ko zavona.
soanja
232.
Ganagàna mitety asa , ny hanina tsy hita ny tratra mangana
kiriah
233.
potsik ovin ankaratra ka samy mihinana ny voa-poriporiny
kiriah
234.
Gisa lahy mangala-ketsa ka izy mangalatra indray no avo vava
kiriah
235.
Adin-tsikidindrano ka misaraka tsy misy maratra.
soanja
236.
Voky dia mkodia, ohatra ny kongona.
soanja
237.
Lolokely an-tanin'andro. ka hivelabelatra dia izy ihany, hikombokombona dia izy ihany.
soanja
238.
Angaha volo manify ka hataho-pandroatra.
soanja
239.
Sanganehana ohatra ny ondry sangian'alika.
soanja
240.
mahatra kely sandry itory kely vola hiady moramaty
turin
Voalohany
Mialoha
6
7
8
9
10
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1224