Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atra
Hampiditra ohabolana
211.
Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana.
soanja
212.
Ny latsaka te hitovy, ny mitovy te hihoatra.
soanja
213.
Ankoatra ny bonga toa hisy jiolahy, ambadiky ny avo toa hisy tafika.
soanja
214.
Mampakatra feta tsy madity ka raha avy ny orana dia mihotsaka.
soanja
215.
Aza manao tany avo avaratra.
soanja
216.
Afa-draorao ohatra ny tany afa-dilatra.
soanja
217.
Aleo maty toy izay menatra olona.
soanja
218.
Vikin'alina ka aleo tafahoatra, toy izay latsaka.
soanja
219.
Hodin-tsokatra ilatsahan-kavandra ka mikoriana any ivelany.
soanja
220.
Miakatra ho rahona fa mielin-ko zavona.
soanja
221.
Ganagàna mitety asa , ny hanina tsy hita ny tratra mangana
kiriah
222.
potsik ovin ankaratra ka samy mihinana ny voa-poriporiny
kiriah
223.
Gisa lahy mangala-ketsa ka izy mangalatra indray no avo vava
kiriah
224.
Adin-tsikidindrano ka misaraka tsy misy maratra.
soanja
225.
Voky dia mkodia, ohatra ny kongona.
soanja
226.
Lolokely an-tanin'andro. ka hivelabelatra dia izy ihany, hikombokombona dia izy ihany.
soanja
227.
Angaha volo manify ka hataho-pandroatra.
soanja
228.
Sanganehana ohatra ny ondry sangian'alika.
soanja
229.
mahatra kely sandry itory kely vola hiady moramaty
turin
230.
Rafotsibe leo trandraka ka matahoatra vodi-kifafa
melumanga
231.
Diso fanantenana ohatran'ny makorelina be vohoka, vola no tadiavina ka zaza no ao an-kibo.
kimbol
232.
Aza manao loham-boto ka efa fantatra fa tsy omby mbola sisihana ihany.
kimbol
233.
Rafotsibe leom-boan'anana ka tsy tia zavatra boribory...!
sylvoalias
234.
Aza maika ohatra ny boka hanambady!
Razatovo
235.
Mihazakazaka tratry ny miadana toy ny bitro sy ny sokatra
niryna
236.
Vangavanga manan'endrika, sadasada manan-tsoratra
niryna
237.
Mitondra entina hoatra ny tongotra
niryna
238.
Tsy misy fetrany ny fanantaterahan-javatra raha toa ka tsy misy ny vokany sy ny ezaka ao anaty
niryna
239.
Raha nomen'Andriamanitra antsika avy izay tadiavintsika dia efa nesoriny sahady ny zavatra tsara ambony indrindra amintsika
niryna
240.
Rafotsibe nadika tatatra, mampalalaka ny efa nikombona.
walte
Voalohany
Mialoha
6
7
8
9
10
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0854