Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atra
Hampiditra ohabolana
781.
Ny an-tratra tsy lavo koa hoe antsoy koa rainilahibe
jentilisa
782.
Gisalahy homan-ketsa, izy mangalatra indray no avo vava
jentilisa
783.
Mpiasabe vonton'anatra, eny an-tsena avy no manao mbay ilalana
jentilisa
784.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
785.
Ny marina miraviravy tsy maharesy ny lainga tsara lahatra
chipie1
786.
Aza manendry tena ohatra ny alika ho any an-tsena.
lanto
787.
Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato.
lanto
788.
Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika
hery
789.
Tsy nisy nanao soa ohatra ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho.
lanto
790.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
791.
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana.
hery
792.
Ny olombelona ohatra ny ladim-boatavo, raha fotorana iray ihany.
lanto
793.
Aza manao fihavanan-karena, ka tomany handratra ny sasany
hery
794.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
795.
Aza ny vato handrĂ tra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
796.
Aza mitoe-poana ohatry ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra
hery
Voalohany
Mialoha
25
26
27
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0217