Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atra
Hampiditra ohabolana
691.
Fitia fozakely ka lany hatramin'ny tongony
JMR
692.
Mason-tsokina, ny kely ananana no ahiratra
JMR
693.
Tsy mena-mivadika hoatran'ny mpanao pĂ´litika
JMR
694.
Tongom-bakivaky sady mahamenatra no maharary
JMR
695.
Misoko mangina ohatra ny ron-gisa
JMR
696.
Mivoaka ho faty hoatran'ny kankana
JMR
697.
Maimay hoatran'ny boka hanambady
JMR
698.
Potsitr'ovin'Ankaratra, ka samy mihinana ny voapotsipotsiny
JMR
699.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
JMR
700.
Ny mitelin-kafatra mahabe kibo
JMR
701.
Ity vao tay fa vokatra ny vomanga
JMR
702.
Mitoditodika hoatrany olona mangery amoron-dalana
pablo
703.
Sady maharary no mahamenatra hoatran'ny vay an-kandrina
JMR
704.
Aza tefitra loatra ka mibaby laona
McFy
705.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason'angatra
JMR
706.
Halaviro hoatran'ny fasam-bao
JMR
707.
Sola mangery diavolana, tsy fantatra izay lohany sy vodiny
JMR
708.
Bala very foana toy ny bala natifi-takatra
McFy
709.
Lany maina ohatra ny sakafon-doholona
McFy
710.
Tsy zokiny fa zanak'antitra : vato namelan-kafatra
JMR
711.
Mpiasa be vonton'anatra manao mbay lalana an-tsena
JMR
712.
Izaho ve no voky ka hianao no mantsin-drezatra?
JMR
713.
adi-vomangan'Ikirijavola ka avy hatrany dia ny voa-masony no potsirina.
jentilisa
714.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
715.
Ny teny toy ny tori-hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
jentilisa
716.
Ny lainga toy ny vary aloha: mahafatra-po fa tsy mahavita taona.
jentilisa
717.
teny miakatra ifampierana, teny midina ifampifehezana
jentilisa
718.
ny vava toy ny voro-damba ka mitriatra etsy mitriatra eroa
jentilisa
719.
Aza manao sangy mihoatra ny loha, vosotra zary tenany
hery
720.
Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra
hery
Voalohany
Mialoha
22
23
24
25
26
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0229