Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atra
Hampiditra ohabolana
721.
Ny kamo ihany no ho sasatra
hery
722.
lalitra an-kazo, ny iaviany tsy mahavezatra, ny ialany tsy mahamaivana.
ftma
723.
Sakanam-bato, afa-kenatra.
jentilisa
724.
ny alahelo toy ny rahona, rehefa mavesatra mianjera.
jentilisa
725.
Aza mahandro hena tsy fantatra anarana
jentilisa
726.
Arahabao ihany izay hita fa tsy fantatra izay fara-rafozana
jentilisa
727.
Fatra-pila tombony ka natombony
jentilisa
728.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana ka sendra izay homan'olona
jentilisa
729.
mampakatra feta tsy madity, avy ny orana dia akipany
jentilisa
730.
ny kamo ihany no sasatra
jentilisa
731.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
732.
tsy mety raha tai-dronono mandroatra
jentilisa
733.
Indrakindrafana toy ny soavaly vao miakatra an'i Mahamasina
jentilisa
734.
Tia ihany ka saro-kenatra?
jentilisa
735.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra
Vetso
736.
Ny teny toy ny tory hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
hery
737.
Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
hery
738.
Aza mijery vay masaka, fa voin-kava mahatratra
hery
739.
Trano atsimosy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
JMR
740.
Mindrana angady fahavaratra, maniraka ny tompony hiasa
JMR
741.
Molotra sy nify, izay malemy fanahy tratra am-parany
JMR
742.
Ny nenina tsy aloha hananatra, fa aorina handatsa
JMR
743.
Banga mihomehy, hita hatramin'ny havokavony
JMR
744.
Manararao-paty hoatran'ny banga mihomehy alina
JMR
745.
Anti-bavy mita tatatra, manokatra ny efa mikatona
JMR
746.
aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana
jentilisa
747.
olona iray no nangalatra akoho ka alasora iray vohitra no voaendrikendrika
jentilisa
748.
latsahambaratra am-pangerena ka latsaka alohan'ny tay
jazz666
749.
ramatoa be miampita tatatra ka manokatra ny efa mikatona
jazz666
750.
Boto zatra mitaigina, ka ny rafozana ao an'trano no tsy hahaiza-miaina
jazz666
Voalohany
Mialoha
23
24
25
26
27
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0243