Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atra
Hampiditra ohabolana
661.
Rafotsy be mita -tatatra ka manokatra ny efa mikombona
doum
662.
Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aorina handatsa
doum
663.
Akoho lahy fahavaratra ka rebarebany ihany
doum
664.
Mitatatra ho an'i Rainilezafy
JMR
665.
manambady ny lava mitahiry tohatra an-trano, manambady ny fohy mitahiry tapak'aponga
Lalakely
666.
Gisa mihanan-ketsa, izy mangalatra indary no avo vava
JMR
667.
ny tarehy an-dRahiratra, fa ny vintana an-dRatsitamoraina.
jentilisa
668.
Fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ny tompony indray no milela-tanana
jentilisa
669.
Lehibe tratra mangala-pihinana ka hoe manandra-tsira!
jentilisa
670.
mpirahalahy mizara dian'omby, tsy vaky fa mitriatra.
jentilisa
671.
manjai-tsarotro lohataona hialofana raha fahavaratra.
jentilisa
672.
Lasan-ko bikany toa akoholahy fahavaratra
jentilisa
673.
Ny alahady mivavaka, ny alatsinainy mangalatra (akoho)
JMR
674.
Be elanelana hoatran'ny samy be kibo miara-mandihy
JMR
675.
Manararaotra hoatran'ny olon-droa mandihy maty jiro
JMR
676.
Malemy tsy azo hoatran'ny tay
JMR
677.
Santatra ambavarano, ny manetsabe mbola ho avy.
jentilisa
678.
mitelin-kafatra mahabe kibo
jentilisa
679.
Miharihary hoatran'ny kary an'efitra
JMR
680.
ny honohono mahakila ny natono sy mampandroatra ronono.
jentilisa
681.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason'angatra.
jentilisa
682.
Takatra amorom-parihy: tsy matory fa miero-panahy.
jentilisa
683.
Fitia fozakely ka lany hatramin'ny tongony
JMR
684.
Mason-tsokina, ny kely ananana no ahiratra
JMR
685.
Tsy mena-mivadika hoatran'ny mpanao pĂ´litika
JMR
686.
Tongom-bakivaky sady mahamenatra no maharary
JMR
687.
Misoko mangina ohatra ny ron-gisa
JMR
688.
Mivoaka ho faty hoatran'ny kankana
JMR
689.
Maimay hoatran'ny boka hanambady
JMR
690.
Potsitr'ovin'Ankaratra, ka samy mihinana ny voapotsipotsiny
JMR
Voalohany
Mialoha
21
22
23
24
25
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0256