Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atra
Hampiditra ohabolana
571.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany.
latina
572.
Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
latina
573.
Ny fihavanana ohatra ny famoriana tain'omby: ka izay mahavezivezy no mahafeno harona aloha
latina
574.
akofam-bary, tsy menatra izay hiankandrefana
latina
575.
tsara hateloana ohatra ny volom-bava haratana
latina
576.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
latina
577.
Izay mahavangivangy tian-kavana, ny malemy fanahy tratra am-parany.
latina
578.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa.
latina
579.
Tsy misy mivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, , tsy tonga.
latina
580.
Ny takatra no fisa-doha, marary tsy misy mpanondana.
latina
581.
Lolo mamoha angatra
latina
582.
Fatra-piahy mpamosavy; fatra-pifehy trano fangalarina
latina
583.
Ny handrina no tsy naniry volo, noho ny henatra
latina
584.
Mpianadahy mita rano samy tompok'henatra
latina
585.
Be resaka ohatran'Ambositra fa tsy mahaleo an'Ambodivoara
latina
586.
Ny tokatrano toy ny tranon-dandy, ao anatiny vao manatevina
latina
587.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra mangidy tsy telina
latina
588.
Rafotsibe mandinga-tatatra ka manitatra ny efa mikatona
latina
589.
Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
latina
590.
Hazakazaka volon-tratra ka izay tonga aloha volon-kibo
batita
591.
sarotra tiavina toa rano mangatsiaka sotroina be loatra mankarary kibo
gozonel
592.
manaketra-tena toy ny boka mijery fitaratra
nalaina
593.
Hafa gny miteza gny variky, ko tegna gn'amokonany an-tratra
SENATERA
594.
Raha volombava tsy hanendrika, ahetreo ho volotratra
Rainivao
595.
Jiolahy nangalatra hono, ka ny sisa tsy maty mlanja ny hena....
tafita
596.
manalasala ohatry ny angidina, ato mahia be tratra, atao matavy kely rambo
raniry
597.
Maty vao mahiratra toy ny mpamosavin'ny jamba
DEDAKE
598.
saro-tiavina ohatran'ny po hamanizana vao velon-kira
cmbolatiana
599.
saro-tiavina ohatry ny zavatra ka omen-kanina vao mihenjana
nalaina
600.
tsy ampy tsy lany ohatran'ny vady ao an-trano
miara
Voalohany
Mialoha
18
19
20
21
22
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0225