Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe haka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
haka
Hampiditra ohabolana
121.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona.
aivetinakely
122.
Sanganehana tahaka ny saka hamangy jaboady, handroso sao voatora-bato, hiverina marary havana akaiky.
aivetinakely
123.
Manaja toky tahaka ny voromahilala ka na maty vady aza tsy manolo.
aivetinakely
124.
Mifandova toetra tahaka ny vato, be tsy miteny, kely tsy mivolagna.
aivetinakely
125.
Aza mba be tsy miteny tahaka ny vato fa itaingenam-borona.
aivetinakely
126.
Be tsy mahafaka hetaheta tahaka ny ranomasina.
aivetinakely
127.
Tsy lany hamamiana tahaka ny fary lava vàny.
aivetinakely
128.
Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
129.
Milanja loha tsy mitondra mody tahaka ny alika miantsena.
aivetinakely
130.
Aza atao toy ny tahom-boanjo nahitàna fa ataovy tahaka ny reny ka tototry ny valim-babena.
aivetinakely
131.
Aza mampanantena volana tahaka ny olona miady fahefàna.
aivetinakely
132.
Mba manan-kantenaina tahaka and-Rafotsibe nandevina eran'ambatry.
aivetinakely
133.
Tsy misy kely tahaka ny vitsika fa rehefa miray hina mahavita trano.
aivetinakely
134.
Dedaka famindra tahaka ny akoho, kanefa rehefa manitsaka sahafa lavo ihany.
aivetinakely
135.
Sahiran-dava tahaka ny rafozana tonga vinanto ka manadino ny hanitra tokony hampitaina.
aivetinakely
136.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana
aivetinakely
137.
Aza mafy fo tahaka ny vato, ka ny kely avy no taha-dreny
aivetinakely
138.
Harihariana tahaka ny tany nahalavoana
aivetinakely
139.
Be tsy andraofana tahaka ny tanam-poza.
aivetinakely
140.
Very anjara tahaka ny fitia vazivazy, hamerin-dresaka mahamenatra, tsy hiteny tia ihany
aivetinakely
141.
Tsara fitafiana mianjaika tahaka ny goaika, manintona ny maso fe sady ratsy sakafo no maloto fofona
aivetinakely
142.
Menamason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.
aivetinakely
143.
Matim-boninahitra tahaka ny akoholahy, ny sangany mena no nahafaty azy.
aivetinakely
144.
Manjelatra amin'ny maizina tahaka ny masompiso, tsy haingo fa adidy hisamboram-boalavo.
aivetinakely
145.
Ny fitiavana tahaka ny voanjobory mamelana, totofana vao maika mirohotra
aivetinakely
146.
Sondrian-kira tahaka ny sahona ka tsy mahatsikaritra ny fahavalo manatona.
aivetinakely
147.
Mitsoalatsoala tahaka ny kavina lava ka jejo alohan'ny tompony
aivetinakely
148.
Mandeha tsy voizina tahaka ny lakan-jejo
aivetinakely
149.
Kapain-tsy hita fery tahaka ny rano ny lehilahy
aivetinakely
150.
Tamàn-trano tahaka ny akoho ka tsy mahita remby hameloman'anaka
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0197