Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lava
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lava
Hampiditra ohabolana
121.
Manalasala toa lava nify mamangy fahoriana, atao eo aloha toa mananihany, atao any aoriana ohatry ny hanaikitra
Chuan
122.
Izay ela nihetezana hono lava volo
vale
123.
marary lava tahaka ny ahitra an-tsena.
jentilisa
124.
Mifanerasera lava mahabe romoromo
JMR
125.
Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela.
jentilisa
126.
tanety lava misy isainana
jentilisa
127.
Mpandihy lava volon-kelika, ratsy atao mahazo tsiny, tsara atao mahazo tsiny
JMR
128.
Ny ela nihetezana lava volo
JMR
129.
Diavolan-kolava, ny lalao mbola ho ela
lotus
130.
Ny teny marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
hery
131.
Aza ny hafohezan'ny andro no alaina, fa ny halavan'ny taona heverina
hery
132.
bibilava vonoin'olona: tsy hosotroin-dro tsy hohanim-bentiny fa ankasomparana fotsiny izao.
jentilisa
133.
manantena ny halavany tahaka ny bibilava misambotra androngo
jentilisa
134.
bibilava sy olona ka samy taitra sy samy mitsoaka
jentilisa
135.
Bibilava azon'ankizy ka tsy tanana handrangotra na tongotra hitsipaka
jentilisa
136.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
137.
Mahay atsy mahay aroa toa sotrobe lava tango
vale
138.
Ny olona marina hoatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
Fanja1
139.
Ny olona marina ohatry ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
hery
Voalohany
Mialoha
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0172