Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe naka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
naka
Hampiditra ohabolana
121.
Samy zanaka ve no atao tombo sy hala?
jentilisa
122.
Masak'ila otran'ny ramanonaka
sasa
123.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina, ny mandresy tsy hobiana
JMR
124.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
125.
Jejo reny, botry anaka
hery
126.
Jangareny ka botry anaka
hery
127.
Tsy misy mamy ohatry ny zanaka fa rehefa manaiki-nono akifika!
vale
128.
Rafotsibe naka rafy ka naka loza ho an'ny tena
jentilisa
129.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
130.
Ny zanaka mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
JMR
131.
Mamy ny zanaka, fa raha manaikitra nono, akifika ihany
JMR
132.
Zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsan-kazo
McFy
133.
Tsy misy mamy toy ny zanaka fa raha manaiki-nono ahifika
McFy
134.
Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba hahita
McFy
135.
Tokan'anaka ka sarin'ny momba
McFy
136.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina ny mandresy tsy hobiana.
jentilisa
137.
Aza lozabe manana anaka, andrao tsy manan-dray ny zaza
McFy
Voalohany
Mialoha
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018