Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe naka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
naka
Hampiditra ohabolana
121.
Lainga marivo tototra ka hehezin'ny akoho tokan'anaka.
jentilisa
122.
Very maina toy ny menaka nahoso-bato.
jentilisa
123.
Samy zanaka ve no atao tombo sy hala?
jentilisa
124.
Masak'ila otran'ny ramanonaka
sasa
125.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina, ny mandresy tsy hobiana
JMR
126.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
127.
Jejo reny, botry anaka
hery
128.
Jangareny ka botry anaka
hery
129.
Tsy misy mamy ohatry ny zanaka fa rehefa manaiki-nono akifika!
vale
130.
Rafotsibe naka rafy ka naka loza ho an'ny tena
jentilisa
131.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
132.
Ny zanaka mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
JMR
133.
Mamy ny zanaka, fa raha manaikitra nono, akifika ihany
JMR
134.
Zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsan-kazo
McFy
135.
Tsy misy mamy toy ny zanaka fa raha manaiki-nono ahifika
McFy
136.
Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba hahita
McFy
137.
Tokan'anaka ka sarin'ny momba
McFy
138.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina ny mandresy tsy hobiana.
jentilisa
139.
Aza lozabe manana anaka, andrao tsy manan-dray ny zaza
McFy
Voalohany
Mialoha
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0668