Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe teny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
teny
Hampiditra ohabolana
121.
Miteny ny iray toa novankonina, miteny ny hafa toa nampalesina.
jentilisa
122.
Ny teny toy ny tori-hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
jentilisa
123.
teny miakatra ifampierana, teny midina ifampifehezana
jentilisa
124.
Tsy nandre sa tailam-pandrenesana no mitondra teny tanora?
jentilisa
125.
Ny teny malefaka mahamora harena
jentilisa
126.
Mampiteny ny moana
jentilisa
127.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy
hery
128.
Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra
hery
129.
Ny teny toy ny ketsa, ka izay mahalana sosohana
hery
130.
Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka
hery
131.
Tsy nandre, sa tailana nandrenesana, no mitondra teny tanora ?
hery
132.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha
hery
133.
Tana haolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan’ ambiaty ; teny maro tsy ilaozan’ izay ota
hery
134.
Ny teny toy ny tori-hisatra ; ka tsy ilaozan’ ny manjilatra
hery
135.
Miteny ny iray toa novankonina ; miteny ny iray toa nampalesina
hery
136.
Arivo teny, zato kabary ; faran’ ny teny ifanatrehana
hery
137.
Ny teny marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
hery
138.
Aza miteny lango imason’ny vary
hery
139.
aza mahafotsy rora miteny ny ray aman-dreny.
jentilisa
140.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
McFy
141.
Toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka
hery
142.
Teny tsy azo mampihazohazo
hery
143.
Raha tsy mahalà izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
144.
Ny teny malemy mahamora harena
hery
145.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
hery
146.
Ny teny toy ny fonosana ka izay mamono no mamaha
hery
147.
Ny teny toy ny tory hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
hery
148.
Ny teny toy ny ombimanga anaty vero, ka raha pizina latsaka an-kady
hery
149.
Ny teny toy ny ketsa ka izay mahalana sosohana
hery
150.
Ny teny imaso tsy mba kilema
hery
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0344