Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe teny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
teny
Hampiditra ohabolana
151.
Aza miteny lango imason'ny vary
jentilisa
152.
Arivo teny, zato kabary, fa iray ihany no marina
booboo
153.
Fitia naorina teny am-pakana kitay no rava eo am-pisoronana afo
ravaky
154.
Ny teny toa ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra.
ftma
155.
toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
ftma
156.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
157.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
158.
Ny teny malemy maha mora harena
McFy
159.
Teny maro tsy ilaozan'ota
jentilisa
160.
Ny teny toy ny atody, raha foy manan'elatra
hery
161.
Manan-joky afak'olan-teny, manan-jandry afak'olan'entana
vale
162.
Ny zoky no tompon'ny teny ny zandry no tompon'ny entana
vale
163.
Vava diso tsy mba kabary; teny diso tsy mba kilema.
ftma
164.
Ny teny malemy mahamora harena
ftma
165.
Aza mitoe-poana ohatry ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra
hery
Voalohany
Mialoha
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0539