Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe teny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
teny
Hampiditra ohabolana
151.
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, vava no manala ; raha revon'alahelo, ny havana itarainana
hery
152.
mitompo teny fatratra toy ny antsikely be zarana
jentilisa
153.
Raha revom-potaka, rano no manala; raha revon-teny, vava no manala; raha revon'alahelo, ny havana no itarainana.
ftma
154.
Aza miteny lango imason'ny vary
jentilisa
155.
Arivo teny, zato kabary, fa iray ihany no marina
booboo
156.
Fitia naorina teny am-pakana kitay no rava eo am-pisoronana afo
ravaky
157.
Ny teny toa ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra.
ftma
158.
toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
ftma
159.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
160.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
161.
Ny teny malemy maha mora harena
McFy
162.
Teny maro tsy ilaozan'ota
jentilisa
163.
Ny teny toy ny atody, raha foy manan'elatra
hery
164.
Manan-joky afak'olan-teny, manan-jandry afak'olan'entana
vale
165.
Ny zoky no tompon'ny teny ny zandry no tompon'ny entana
vale
166.
Vava diso tsy mba kabary; teny diso tsy mba kilema.
ftma
167.
Ny teny malemy mahamora harena
ftma
168.
Aza mitoe-poana ohatry ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra
hery
Voalohany
Mialoha
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0875