Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe teny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
teny
Hampiditra ohabolana
1.
Ny teny toy ny atody ka raha fohy manan`elatra
RIJA08
2.
Hatsipy ny tady eny antandroky ny omby, hatsipy ny teny ao ampon`ny mahalala
RIJA08
3.
Raha lava ny teny very ny soa , raha lava ny bozaka very ny kisoa
RIJA08
4.
Ny teny toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana
RIJA08
5.
Voalohan'ny volana Janoary, voalohan'ny vokatra santa-bary, fa ny voalohan-teny tsy maintsy kabary
Azrael666
6.
Toriteny am-piangonana, ka ny tonga ihany no voalevilevy
Azrael666
7.
Izay mahay mihaino no mahay miteny
hery
8.
Ny teny toy ny voantsilo tsy afa-day: mamy fa sarotra entina
rainizao
9.
aza manao olona be tsy miteny nefa mora tezitra
rado_albert
10.
ny teny toy ny rafbiriky na dia tsara rafitra tsy ilaozany zay tapaka
marsonxavier5
11.
teny zato , kabary arivo fa iray iany no marina
marsonxavier5
12.
Teny maro tsy mba kabary
thierry2018
13.
Ny teny toy ny toakan-jaodahy, kely tsy mahafa-po be mamoaka ny aty
lehsabotsy
14.
Ny teny toy ny kitoza, tsakona ahitana fy
anja90
15.
Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan'entana
OZ16
16.
Teny zato;kabary arivo fa tokana ihany no marina
Nofy Ny Fitia
17.
vava soa ,ny teny ratsy adidy
vatofisaka
18.
ny teny ierana tsy mba loza ; tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina
yveratsimb
19.
Te-hilaza ka tsy mahay;te-hiteny ka bada lela.
niryna
20.
ny teny ierana tsy mba loza ; tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina.
yveratsimb
21.
MIteny ny iray toa novakonina, miteny ny iray toa nampalesina
yveratsimb
22.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
yveratsimb
23.
Ny teny toy ny antsy, izay maranitra no adidy.
aivetinakely
24.
Be tsy misaina tahaka ny vato, tsy miteny ka taingenam-borona.
aivetinakely
25.
Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy
yveratsimb
26.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony
yveratsimb
27.
Ny teny toy ny vato , izay maivana no atoraka.
aivetinakely
28.
Kabary zato , teny arivo fa iray ihany no tiana hahatongavana.
aivetinakely
29.
teny malemy mahamora fihavanana
yveratsimb
30.
Aza miteny hoe tsy vitako io ,manana finoana fa vitanao io
niryna
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176