Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
1591.
Tsy ny adala no adala fa ny manadala ny adala
dziana
1592.
Vato roa mifanila, ny lehibe tsy manome toerana, ny kely tsy mangataka afa-mangataka.
aivetinakely
1593.
Felam-boanjobory totofana, mandefitra vao mamokatra be.
aivetinakely
1594.
Ny rano no miady fidinana fa ny rivotra miady fiakarana; ny olombelona miady voninahitra.
aivetinakely
1595.
Ataovy dian-tana ny fiainana, ka ny afara todihina, ny aloha banjinina.
aivetinakely
1596.
Kamo mindrana angady ka aza mahita anie aho.
aivetinakely
1597.
Aza malady hofana tahaka ny amalon-kely fa tsy maha-ela velona izany.
aivetinakely
1598.
Aza fatra-pifidy ny manganagna ka tojo ny mangidy tsy telina.
aivetinakely
1599.
Ny teny toy ny vato, ka izay maivana no atoraka
aivetinakely
1600.
Ny lala-nahapotraka omaly, tsy andalovana intsony androany.
aivetinakely
1601.
Fatra-panoro hevitra ny fahavalo ka manjary mamaham-basy hitifirana ny tena.
aivetinakely
1602.
Natao sanga ka nanatona, natao tandroka ka nanoto
niryna
1603.
Mangahazo mangidy malemy ka hanina amin'ny lemim-panahiny
niryna
1604.
Ny anatra tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana andatsa, toy ny fanafody aorian'ny fahafatesana
niryna
1605.
Aleo miandry fatin-dRafozana toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
1606.
Atodin'androngo anaty fasika, raha tsy lenan'ny orana main'ny taninandro.
aivetinakely
1607.
Vorondolo monina an-tanàna haolo, tsy nangalatra fa tsara fonenana.
aivetinakely
1608.
Boka maimay hanam-bady, ka na ny tanana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
1609.
Teny Aina, izay manapa-teny manapak'aina.
aivetinakely
1610.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolankolana.
aivetinakely
1611.
Ny terehy no andRahiratra fa ny vintana andRatsitamoraina
aivetinakely
1612.
Aza manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
aivetinakely
1613.
Ny fiainana tahaka ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
aivetinakely
1614.
Fahavaratra mangidy fa ny an-tsaha tsy tonga, ny an-tanàn-dany.
aivetinakely
1615.
Miharihary tahaka ny kary am-pamoloana.
aivetinakely
1616.
Didimaso asiana ody, mahareta fa hihavian'ny soa
niryna
1617.
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona, tao ihany fa nifanolana
niryna
1618.
Ny anarana no tsy raikitra, ny ao an-trano no manivaiva
niryna
1619.
Aza manao toto vomangan-dRangahy ka ny malemy ihany no velezina
niryna
1620.
MIharihary toy ny kary am-pamoloana
niryna
Voalohany
Mialoha
52
53
54
55
56
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0234