Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
1681.
Fatra- mpifidy ny aranany ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
1682.
Fatra mpitady ny tsy hita ka manary ny hita maso.
niryna
1683.
Rangahibe no tratr'andro:Rafotsibe no nanadala azy.
niryna
1684.
Mihena an-toerana toa fen'antitra.
niryna
1685.
Toy ny fanoto:antitra vao kely anarana.
niryna
1686.
Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona
niryna
1687.
Aza manao ahitra teraka alohan-jaza.
niryna
1688.
Ny miloloha vato tsy mihalana, hono, mankarary an-doha ; ny matory tsy milafika mankarary tehezana.
aivetinakely
1689.
Ny lavanify mihinan-taolana no tafaray samy mafy, fa ny banga mifanaikitra no tsy ahitàna izay dia-nify
aivetinakely
1690.
Ny langoraona sy amponga no tsy mitovy feo mifanaraka, ary ny kintana sy ny volana no samihafa famiratra mifanotrona.
aivetinakely
1691.
Rafotsibe maty andron'andriana sady tsy aty no tsy any Ambondrom-be.
aivetinakely
1692.
Aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka.
aivetinakely
1693.
Aza manao tondraka anio manan-jara.
aivetinakely
1694.
Manetsa mahalana ka mijinja izay atao.
aivetinakely
1695.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy, ka ny mahery tsy hobiana, ny resy tsy akoraina.
aivetinakely
1696.
Ny varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
1697.
Tongotra mby an-dakana, ka tsy miverin-dalana intsony.
aivetinakely
1698.
Ny volana manakona masoandro no miteraka aloka sy haizina, fa ny masoandro be lohataona no manome hazavàna ka tsy manan-kasosorana amin'olona.
aivetinakely
1699.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
1700.
Misy andro tokony hanginana, ary misy fotoana tokony hitenenana, toy ny katsaka ela nihantonana sy tsaramaso ela nihahazana, ka miandry ny fotoana hitsiriany.
aivetinakely
1701.
Tsy ny atody lamokany handoto ny rivotry ny mpianakavy, fa ny atody foy efa zary zanany, mikiokioka vao hary elatra.
aivetinakely
1702.
Ny tany sy lanitra no tsy nikambana, hisian'ny rivo-pamelona, ny vary sy rano no tsy mifandao, natao hifameno.
aivetinakely
1703.
Tsy mety ny manao toy ny ganagana, ka ny lahy hitarika indray no kely feo.
aivetinakely
1704.
Ianareo vorona manim-poto-kazo, izahay hazo miandry voron-kitoetra.
aivetinakely
1705.
Sola tsy noratraina, hono, ny akanga, menaloha tsy voadidy ny akoholahy, ary ny tandroka tsy niala tamin'ny loha omby, tsy takaitra fa voajanahary.
aivetinakely
1706.
raha ho eny Mahamasina ve tsy hahatsinjo ny anjelin'Anosy, raha mandalo an'Analakely ve tsy hahatazana ny famantaran'andron'ny gara sy Faravohitra.
aivetinakely
1707.
Ny basy ni hifampitifirana, ny antsy no hifandrasàna, fa ny vava no hifampiresahana.
aivetinakely
1708.
Tsy hoe lava volo an-katoka akory ka hatory tsy miondana.
aivetinakely
1709.
Ny kary no be mpanakora, ny kisoa no be tondro molotra, fa ny olona tokony ho be fihavanana.
aivetinakely
1710.
Ny rano am-parihy, hono, no fanovo amin-jinga, ny vary no fitoto an-daona, ary ny sompitra ambany rihana no miantoka ny taon-tsarotra.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
55
56
57
58
59
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0233