Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
1771.
Aza manao vain-drahalahy tsy maharary.
aivetinakely
1772.
Ny fanambadiana fihafiana ; izay tofoka aloha no kaikeri-nenina.
aivetinakely
1773.
Fanjaibe hazo ny fitiavana ka very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
1774.
Ny vy tsy mikitrana irery.
niryna
1775.
Aza mimenomenona toy ny sinoa very entana
niryna
1776.
Aza mandeha tsy voizina toy ny lakana mivalan-drano
niryna
1777.
Tsy misy fahoriana izay natao tsyho zakan-tsika
niryna
1778.
Manjenjem-poana toa ny alala azon'ody.
niryna
1779.
Aza manao hoe raha ho ahy mihondrahondra, fa raha ho azy miongota velona.
niryna
1780.
Valala iray hifanapahana
niryna
1781.
Ny vava tsy anambina ahitan-doza
niryna
1782.
Fanitsiana:Aza manjaitra atody vaky
niryna
1783.
Raharaha tokony atao anio aza hiandrasana rahampitso
niryna
1784.
Masotsokina ka izay kely hananana no ahiratra
niryna
1785.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
niryna
1786.
Araraoty ny andro hanaovan-tsoa fa zava-poana izao rehetra izao
niryna
1787.
Na dia izany aza anefa ry malala, tsy misy neniko ny fitiavako anao
niryna
1788.
Sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiahy.
niryna
1789.
Aza manao anay ho tsinotsinona fa ny havanay avy any Dilambato jerena
niryna
1790.
Ny trano nahavokisana tsy hipetrahana ela
niryna
1791.
Naniraka amalona hatsàka, tonga an-tanindrazany izy de tamàna.
aivetinakely
1792.
Ny vali-finginga, fingaka;ny valim-piakarana, fidinana
niryna
1793.
Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
niryna
1794.
Zanaka tokana an-trano ka raha tsy maty voky, maty noana
niryna
1795.
Aza manao sotrobe lava tango, loharana ny atsy, tsabahana ny eroa
niryna
1796.
Ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy
niryna
1797.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano
niryna
1798.
Aza mitoto-vary diavolana ka maka fanahy ny akoho
niryna
1799.
Halan'ny olona hianao fa tiako izaho hanana azy
niryna
1800.
Fatra-pitia ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
Voalohany
Mialoha
58
59
60
61
62
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0232