Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
1771.
Tsy misy fahoriana izay natao tsyho zakan-tsika
niryna
1772.
Manjenjem-poana toa ny alala azon'ody.
niryna
1773.
Aza manao hoe raha ho ahy mihondrahondra, fa raha ho azy miongota velona.
niryna
1774.
Valala iray hifanapahana
niryna
1775.
Ny vava tsy anambina ahitan-doza
niryna
1776.
Fanitsiana:Aza manjaitra atody vaky
niryna
1777.
Raharaha tokony atao anio aza hiandrasana rahampitso
niryna
1778.
Masotsokina ka izay kely hananana no ahiratra
niryna
1779.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
niryna
1780.
Araraoty ny andro hanaovan-tsoa fa zava-poana izao rehetra izao
niryna
1781.
Na dia izany aza anefa ry malala, tsy misy neniko ny fitiavako anao
niryna
1782.
Sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiahy.
niryna
1783.
Aza manao anay ho tsinotsinona fa ny havanay avy any Dilambato jerena
niryna
1784.
Ny trano nahavokisana tsy hipetrahana ela
niryna
1785.
Naniraka amalona hatsàka, tonga an-tanindrazany izy de tamàna.
aivetinakely
1786.
Ny vali-finginga, fingaka;ny valim-piakarana, fidinana
niryna
1787.
Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
niryna
1788.
Zanaka tokana an-trano ka raha tsy maty voky, maty noana
niryna
1789.
Aza manao sotrobe lava tango, loharana ny atsy, tsabahana ny eroa
niryna
1790.
Ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy
niryna
1791.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano
niryna
1792.
Aza mitoto-vary diavolana ka maka fanahy ny akoho
niryna
1793.
Halan'ny olona hianao fa tiako izaho hanana azy
niryna
1794.
Fatra-pitia ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
1795.
Izy handrandrana indray ve no hanafenana loha sola ?
niryna
1796.
Ny tampany ihany no mikobana
niryna
1797.
Raha tsy mandeha mialoha hianao dia ho tratry ny ao aoriana
niryna
1798.
Mihazakazaka tratry ny miadana
niryna
1799.
Tsy misy ny fifanajana eo amin'ny samy jiolahy.
niryna
1800.
Ny trano izay miady lava dia tsy hitsangana mihitsy.
niryna
Voalohany
Mialoha
58
59
60
61
62
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0348