Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
1741.
Ny adalanny tena tafian-damba fa ny adalan ny hafa ihomehezana.
sylvoalias
1742.
Hianaro ny fahendrena amin'ny alalan'ny adalan'ny sasany
miainga
1743.
Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana
niryna
1744.
Manao an'Atra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
niryna
1745.
Ny valikin-kitsaka noho miverina, toy ny mpamosavy nalevina an-dalana
niryna
1746.
Tano mafy ny fananarana fa aza avela hiala.Hazony izy, fa ainao
niryna
1747.
Mora hafindra toy ny ketsa ny fitiavana.
niryna
1748.
Raha nisakana izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
1749.
Raha tiana aza ny zaza rehefa manaiki-nono akifika ihany
niryna
1750.
Kodiaran-tsarety ny fiainana ka ny ambany mbola ho lasa ambony, ary ny ambony mbola ho lasa ambany
niryna
1751.
Izay manamafy ny fony no hidiran-doza
niryna
1752.
Raha nisaka izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
1753.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
1754.
Aza manao ory hava-manana
niryna
1755.
Tsy mba hanan-java-mahory izay manome ny malahelo
niryna
1756.
Ny vodi-tsobika aza manan-tandrify
niryna
1757.
Ny zanaka tiana no hanarina
niryna
1758.
Aza mitaraina tana-miepaka
niryna
1759.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
1760.
Efa leom-boanana ka tsy te-hierika zava-boribory intsony.
niryna
1761.
Raha tsara tarehy kanefa tsy manana fanahy dia toy ny ako-bolamena ka mamiratra jerena
niryna
1762.
Tsara loha ka endrehin-drandrana
niryna
1763.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
1764.
Izay mihomehy farany no lava fotoana hihomehezana
niryna
1765.
Mitomany randrana manendrika ny sasany
niryna
1766.
Mitsakatsaka foana ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manompy sikidy
niryna
1767.
Kely marary fanaikitra toa parasy
niryna
1768.
Aza ny fonon'ny boky no jerena fa ny votoatiny hitsarana azy
niryna
1769.
Mivoaka ho faty toy ny kakana
niryna
1770.
Izay mikambana vato fa izay misaraka fasika
niryna
Voalohany
Mialoha
57
58
59
60
61
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0232